Ny andraikitry ny Volohazo teo amin'ny fanorenana fanjakana: Andriamisara, Volohazo nihavianan'ny fanjakan'Andriamandisoarivo araka ny lovan-tsofina

RAMAHEFASOA Barbin

176Ny Avy amin’ny fahefan’ny volohazo andriamisara ny fandresen’i Andriamandisoarivo ny fanjakan’i Boeny. Nampilefitra ireo tompon-tany ny volohazo. Ny olana hita dia lohalaharana ny Volohazo na ny « talisman » manoloana ny ady mitam-piadiana. Noentina nanorenana ny fanjakan’ Andriamandisoarivo ny adin’ny Hazary. Amin'ity fomba fijery ara-sosialy politika momba ny volohazo amin'ny fandrobana fahefana avy amin'ny lovan-tsofina ity, ny fandinihana dia mikendry ny hanatsara ny singa fototry ny maha-izy azy ny rafitra sosialy politika sakalava. Ny teoria « constructiviste » an'i Bourdieu sy ny « structuro-fonctionnalisme » an'i Parsons sy Merton no ampiasaina. Amin'ireo teoria ireo dia ampiana ny fomba fiasa inductivo-hypothetico-deductive izay mifototra amin'ny fandinihana ny mpandray anjara tohanan'ny fampiasana dinidinika, fanontaniana ary tahirin-kevitra. Notanterahina tany amin’ireo distrikan’i Boeny, ny fanadihadiana dia manamafy fa manaiky an’Andriamisara ho loharanon’ny fahombiazan’Andriamandisoarivo tamin’ny fandreseny ny avaratra ny Sakalava. Tompon’ny vahoaka na “Boeny” izy.

Tenizaha: Volohazo, Andriamisara, Fahefana, Sakalava, Fanjakam-panjaka

14/09/2023