Micro migration comme vecteur de mutations socio-économique dans le Nord-Est de Madagascar au 19ème siècle.

ANDRIAMAROSON Chrysologue

175Ny Taorian’ny fahatongavan’ireo Réunionnais, dia nahazo vahana ny toekarena ara-barotra tany amin’ny faritra avaratra atsinanana Madagasikara nanomboka tamin’ny tapany faharoa tamin’ny taonjato faha XIX. Mitaky asa anefa io endrika rafitra ara-toekarena vaovao io. Izany filana izany no nahatonga ny fifindra-monina malagasy maro be, Betsimisaraka, Tsimihety ary Antesaka, izay nanampy ny mponina any an-toerana. Izy ireo dia mahavita nanatsara, araka izay tratra, ny fifandraisana akaiky eo amin'izy ireo. Rehefa niara-miaina izy ireo dia mihamalemy ny anjaratoeran’ny foko (clan). Ny fifangaroana ara-kolontsaina, indrindra fa eo amin’ny Betsimisaraka sy ny Tsimihety, no niteraka ny fiombonana amin’ny alalan’ny “fokontany” (village). Ny fifindra-monina, loharano faratampony amin'ny fahasamihafàna ara-tsosialy sy kolontsaina talohan'ny fanjanahantany any Avaratra-Atsinanana, dia misy fiatraikany ara-toekarena ihany koa raha nony tsirairay ny hahazo tombony amin'ny fisian’ny voly fahondrana sy/ny voly fihinana sy faharoa.

Tenizaha: taonjato faha XIX, Avaratra-Atsinanana, fifindra-monina, fiovana, fiaraha-monina, toe-karena

14/09/2023