Fandalinana ny rafitra famatsiana jirofo (Syzygium aromaticum L.) eto Madagasikara

Didier ANDRIANARISON, Lantomalala RAHARINOSY, Vonifanja RAMANOELINA, Jean RASOARAHONA

171Ny Mpanondrana voalohany maneran-tany sady faharoa amin’ny famokarana, malaza amin’ny kalitaon’ny jirofo, indrindra ny « clous », i Madagasikara. Na izany aza, miankina amin'ny anton-javatra maro ny fanondranana azy toy ny fahamarinan-toerana ny vidiny, ny kalitaon'ny vokatra ary ny fiovaovan'ny famokarana. Manoloana izany toe-javatra izany dia tsy maintsy mametraka paikady vaovao ny mpanondrana.
Ity fanadihadiana ity dia mamakafaka ny fomba fanangonam-bokatra ampiharina’ny mpanondrana jirofo mba hiantohana ny kalitao sy ny habetsahan’ny vokatra voahangona. Nisy fanadihadiana natao momba ny iray amin’ireo dimy sangany indrindra eto Madagasikara mba handinihana ny fomba fanangonam-bokatra nampihariny izay mitondra rafitra vaovao sy mahomby. Ny fomba fiasa dia mifototra amin'ny fanangonana antontan’isa momba ny vokatra voahangona, ny vidiny sy ny fomba famatsiana nandritra ny vanim-potoana 2018 – 2022. Ny asa natao dia niompana tamin’ny fampitahana momba ireo mpamatsy vokatra isan-karazany an’ity mpanondrana ity sy ny habetsahan’ny jirofo naondrana ary ny fivoaran’ny vidiny nandritra io vanim-potoana io. Hita fa ny rafitra fanangonam-bokatra nataon'ity mpandraharaha ity no nahafahany nitazona ny lazany teo amin'ity seha-pihariana ity satria raha 300 taonina ny vokatra naondrany tamin'ny taona 2018 dia tafiakatra 4000 taonina izany tamin'ny taona 2022. Noho izany, ny fanavaozana ny rafitra famatsiana vokatra nataony dia nampivoatra hatrany ity mpandraharaha ity.

Tenizaha:jirofo « clous », fanondranana, Madagasikara, rafitra famatsiana

20/07/2023