Tantaran'ny fiarovana ny Varika tao anatin’ny 40 taona

RATSIMBAZAFY Henri Jonah;RAFALINIRINA Andry Herman

169 Madagasikara dia iray amin’ireo firenena 12 manana ny fahasamihafana lehibe indrindra izay mitahiry ny 80% ny zavaboary manerantany. Ny varika dia 100% zanatany ao aminy, izay mandrafitra ny 20 % primate manerantany. Efa ho 50 tapitrisa taona no nahatongavany teto Madagasikara izay tena mampiavaka sy reharehan’ity nosy ity izy ireo. Nandritra ny 40 taona nanaovana ny asa fikarohana sy fiarovana ny varika dia nitombo hatrany ireo karazam-barika vaovao vokatry ny fivoaran’ny teknolojia. Nitombo ihany koa ny isan’ireo fikambanana nanampy sy nanatevin-daharana ny ezaka fiarovana. Manodidina ny 700 tapitrisa dolara no efa natolotry ny mpiara-miombon’antoka amin’ny asa fiarovana ny zavaboary. Fivoriambe iraisam-pirenena maro no vita, nokarakaraina sy ankalazaina isan-taona ny Dihin’ny Varika Manerantany, ary maro ny ezaka natao ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Nisy ihany ny drafitra stratejika sy lalàna samihafa natao hiarovana ny varika. Araka ny angombaovao azo farany dia latsaky ny 10 % ny ala tany ampiandohana sisa no mandrakotra an’i Madagasikara ary raha mbola mitohy izao tahan’ny hazakazaky ny fahapotehin’ny ala izao dia tsy hisy ala Voajanahary intsony eto Madagasikara ao anatin’ny 35 taona. Vokatr’izany faharavana mitohy izany dia mety hanjavona tanteraka ireo biby sy zavamananaina monina ao ka anisan’izany ny varika. Vao haingana no nisy fanairana momban’ny mety hanjavonan’ilay primate kely indrindra manerantany, Microcebus berthae, noho ny tsindry sy ny faharavan’ny toeram-ponenany. Raha 17 karazana varika no efa nanjavona tany aloha dia amin’izao fotoana izao dia ny 95% ny varika dia hatahorana ho lany tamingana. Tsy fahombiazana ve izany no hita teto Madagasikara teo amin’ny sehatry ny fiarovana ny varika nandritra izay 40 taona izay? Inona no lesoka ary mbola azo atao ve ny mamonjy ireo varika 112 mbola misy ankehitriny tsy ho lany tamingana ary amin’ny fomba ahoana? Inona ary izany no paik’ady mahomby fohy sy lavitr’ezaka afahana mamonjy ireo varika ireo?

Tenizaha: Fiarovana, Zavaboary, Primate, Varika, Madagasikara

22/06/2023