Fivoaran’ny kalitaon’ny lohamenaka azo avy amin’ny Géranium novokarina teto Madagasikara nanomboka ny taona 1997 hatramin’ny 2022

RAHARINOSY Lantomalala;ANDRIANARISON Didier;RAMANOELINA Panja;RASOARAHONA Jean

167 Voamarika ny fitombon’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena mahakasika ny lohamenaka. Manaraka izany fitomboana izany, ary anisan'ny be mpitady indrindra eo amin’ny tsena ny lohamenaka azo avy amin’ny Geranium. Ampiasaina betsaka amin'ny fanamboarana ranomanitra moa izany lohamenaka izany. Sokajiana ho anisan’ny manana kalitao ambony ny lohamenaka Geranium vokarina eto Madagasikara. Ny fenitra iraisam-pirenana ISO 4731 dia mamaritra ny toetoetra tokony hananan’ny lohamenaka azo avy amin’ny Geranium (Pelargonium X ssp.). Napetraka izany mba hanamora ny fanombanana ny kalitaony. Ny fanitsiana farany tamin’ny taona 2012 dia mamaritra ny singa simika manokana mampiavaka ny lohamenaka novokarina amin’ny faritra samihafa eran-tany araka ny « ecotypes » 4, ary anisan’izany ny eto Madagasikara. Taorian'ny fandalovan'ny aretina manodidina ny taona 1990, izay nandrava ny ankamaroan'ny toeram-pambolena géranium dia nivelatra tany amin'ny faritra atsimo, manomboka eo Ambatolampy mandalo an’Antsirabe sy Ambositra, Ambohimahasoa, Ambalavao ka hatrany Ihorombe ny fambolena Geranium. Taorian'ny famerenana ny fambolena, raha ny karazana Bourbon no be mpamboly indrindra teo aloha, dia nisy karazana Geranium vaovao nipoitra, izay eo anelanelan’ny toetoetran’ny karazana"Bourbon" sy ny karazana "Chine", raha toa ka tombony ho an'ny firenena ny fisian’ ny fenitra ISO 4731:2012 mamaritra ny karazana Madagasikara. Ny fitrandrahana ireo fandalinana sy ny famakafakana natao nanomboka tamin'ny 1997 ka hatramin'ny 2022 teo anivon’ireo faritra mamokatra ny lohamenaka Geranium dia nahitana ny fivoaran'ny kalitaon'izany lohamenaka izany.

Tenizaha: lohamenaka, geranium, fenitra, kalitao, ecotype

15/06/2023