Paikady fitrandrahana torohay sy tahirinkevitra amin'ny alalan'ny teny malagasy

Rahetilahy Willy, Ramasinatrehina Rohy

166 Sahirana ny mpikaroka tahirikevitra indraindray amin’ny fomba atao hisitrahana torohay mifandraika amin’izay tiana karohina. Nisy ny fikarohana nataon’ireo mpahay tahirikevitra kalaza hatry ny ela ary samy nahitam-bokatra avokoa kanefa tsy nety afapo.
Fikarohana izay fampivoarana ifandraisan’ny teny amin’ny fitrandrahana torohay, nampiana andrana avy amin’ny voka-pikarohana iraisam-pirenena no entin’ity asam-pikarohana ity. Ny fototry ny olana miainga amin’ny fanoratana ka hatreo amin’ny fampahalalana izany mihitsy an-taratasy na ampitain-davitra no ho votoatiny.
Fikarohana tahirikevitra sy torohay dia atao amin’ny teny malagasy kanefa tsy manaisotra ny efa nositrahana tamin’ny fampiasana ny teny fampiasa eo amin’ny sehatry ny haitahirikevitra. Manampy amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy ity fanatsarana avy amin’ny alalan’ny fampivoarana ny tranomboky ity.
Notakarina izay hirosoana mankany amin’ny fampivoarana (innovation) ankoatra ny asa efa mahazatra ny mpahay tahirikevitra (documentaliste), ka natomboka amin’ny fandraisana an-tànana ny lahatsoratra ka hatramin’ny fankatoavana azy mba ho azon’ny besinimaro vakiana.
Fanatsarana isaky ny ambaratonga amin’ny asa iombonana amina mpahay tahirikevitra toy ny Farimbonasa fampiroboroboana sy fanapariahana torohay (mutualisation pour la promotion et la diffusion de l’information); ny fanaovana ny tahiry torohay (base de données) azo zahana isaky ny foibe mpikirakira ny torohay; ny fampiraisam-bolo ny tenizaha (mots clés) ary ny fandrafetana ny fintina mba ho mora zahana ao amin’ny thesaurus malagasy iraisan’ny rehetra.

Tenizaha: Tenizaha, Tenivotoaty, Torohay, Tahirikevitra, Thesaurus, Tranonkala, Dikateny

15/06/2023