Orientations pour des projets de construction durable à Madagascar

RAFITOSON Lauriane;RAZAFINJATO Victor

161Ny Mitana toerana lehibe eo amin’ny toekarena malagasy ny indostrian’ny fanorenana. Na izany aza, misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainana ny tetikasa tanterahana ao anatin’ity sehatra ity. Ilaina araka izany ny misarika ny sain'ny mpamorona tetikasa fanorenana mikasika io olana io. Ny tanjon'ny lahatsoratra dia ny hanolotra ireo hevi-dehibe tokony hifantohan'ny mpisehatra (mpandraharaha, mpanao mari-trano, injeniera,) mba hisian’ny fampandrosoana maharitra eo amin'ny indostrian'ny fanorenana eto Madagasikara. Aorian'ny famakafakana amin'ny antsipiriany ny toe-javatra misy eo amin'ny sehatra maneran-tany sy ny eto an-toerana, dia maro ny fepetra azo raisina : fitantanana ny loharanon-karena, tombom-barotra, famolavolana tetikasa ho an'ny olona sy ny tontolo iainana. Ny fomba fanorenana maharitra dia azo ampiharina dieny any am-piandohana, ary dinihana arakaraka ny toetoetran'ilay tetikasa izany. Ny fototra napetraka ato amin'ity lahatsoratra ity dia manome sehatra ho an'ny fampivoarana ny foto-kevitry ny tetikasa maharitra amin'ny alalan’ny fisafidianana akora fanorenana.

Tenizaha:Fampandrosoana maharitra, fanorenana, tontolo iainana, akora

11/05/2023