Integration regionale et internationalisation : cas des entreprises malgaches

ANDRIAMASIMANANA ORIGENE Olivier

16Ny Amin’ny ankapobeny ny mpandraharaha malagasy dia tsy rototra manoloana ny tombontsoa izay misy ao anatin’ny vondrom-paritra iraisam-pirenena (COI, SADC, COMESA, IORA) izay misy an’i Madagasikara. Antony maro no mahatonga izany fifanoherana izany ary anisan’izany ny elanelana ara-tsaina, ny fahasahiana ary ny maha nosy raha ny hevitr’ireo mpitantana orinasa malagasy nanaovana fanadihadiana. Araka izany, dia zava-dehibe ny hisivanana ireo firenena kendrena ary ny fampiharana ny tetikady fampivelarana ny tsena mba hanamorana ny fandraharahana iraisam-pirenena ao anatin’ireo vondrom-paritra voatanisa etsy ambony. Na izany aza ny mpandrarahara mpanondram-bokatra malagasy na izay liana amin’izany asa izany dia tokony hivondrona mba hanenana ny tsy fahafantarana ny tsena kendrena. Ary manoloana izany fahalemena izany dia tsy azo ialana ny fametrahana ny vondron’ny mpanondrana entana mba hampivelarana ny asa fanondranana ary hampisondrotana ny haabon’ny fandraisan’ny mpandraharaha malagasy anjara ao anatin’ireny vondrom-paritra ireny.

Tenizaha:Fandraisana anjara anaty vondrom-paritra, Fandraharahana iraisam-pirenena, Orinasa, Madagasikara

11/11/2021