Fananan’anaka RIndra VOajanahary : Aizana sy Fitorotoroana (1978 – 2023)

ANDRIANALIHARIMINO Nambinina;RAKOTONJAKA Harijaona Tsivery;RAZAFINOROVELO Tsiory Hasinjanahary;RAZANATOMPOHARIMANGA Niry Havana;RAZAFINOMY Tahianjanahary;RANDRIANALIMANGA-RAHARIVELO Nombana

158Ny Misy andiham-behivavy anarivo nisafidy ny Fananan’anaka RIndra VOajanahary hiatrehany ny asa sy adimpiainana andavan’andro mba handreseny ny tsy fahasalamana miaro tsy fahampiana. Ny FRIVO dia rindram-pananahana manoro hisafidiana ny zanaka na ho Lahy tahakandrainy na ho Vavy dia eny mialohan’ny fihariana azy ireo. Manofana mpilatsaka antsitrapo hahay hisoroka vohoka tsy iriany. Mampiasa ny fivoaran’ny hafanan’ny vatana mifandraika amin’ny mety fisehoanjavatra.izy ity. Araka izany dia mandamina ny fiantsenan’ireo tsirinaina. Ny vokatra dia mahomby 100% ny Safidy fanabeazana aizana omban’ny vinan’andro hahavelomana marina tsy dila iray akory izany. Ireo tsirimpanentana dia tsy miasa, na ireo mpanelingelina toy ny singa atsofoka anaty tranonjaza, na ireo misakana fihaonana toy ny fimailo, na ireo tetitetika isankarazany hafa koa fampiasa andavan’andro. Ireo fampiharana nandritra ny 45 taona dia nanaporofo ny tsy fisian’ny takaitra ary voamarina ny fahitsina amin’ny fampiharana azy. Ny FRIVO no anjara fampandrosoana ny vahoaka malagasy tanterahin’ny Akany BéBéNONO.

Tenizaha:FRIVO-PINN-INBP ; Lahy sa vavy; Vohoka ; fivoaran’afananam-batana

27/04/2023