Ny bibliometrian' ny voka-pikarohanan 'ny CNRIT

RAHARIVONY Louisette Léa;RANDRIAMAMONJY Yvonne Anna;RANDRIANIRAINY Huchard;RAHARIJAONA Nivoniaina Fahendrena;RASOLOMANANA Eddy;RAHARIMALALA Laurence Eliane

155Ny Mamoaka ny vokatry ny fikarohana ataony amin’ny alalan’ny boky na lahatsoratra ao amin’ny gazety siantifika ny mpikaroka, ka ny isan’ireo lahatsoratra ireo no mason-tsivana hanombanana azy ireo. Na dia mitovy aza ny satan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy ny Mpikaroka –Mpampianatra dia tsy mitovy ny asa fanaon’izy ireo andavanandro.Ny tanjon'ity lahatsoratra ity dia ny hanasongadinana ny vokatra azon’ny Mpikaroka avy amin'ny alàlan'ny bibliometrika amin'ny fampiasana rindrambaiko EXCEL sy IRAMUTEQ. Ny vokatra azo dia atambatra sy tombanana amin'ny fampiasana ny fepetra toy ny "effect Matilda", "the h-index", "Lalàna Pareto" ary ny fanasongadinana ny lohahevitry ny fikarohana, indrindra any amin'ny faritra samihafa eto Madagaikara. Antenaina fa azo ampiasaina any amin’ny sehatra hafa ity fitaovana na fomba fiasa ity.

Tenizaha:valin'ny fikarohana, mpikaroka, bibliometrika, fanombanana, fampiroboroboana

20/04/2023