Jery todika momba ny fikarohana Malagasy sy ny fanafody avy amin’ny akora voajanahary (Taonjato 19-21)

Rabaovololona;Ramaroson Mbolamamy Harinoro

151Ny Nanomboka tamin’ny nampiasana ny voan-kevitra voly avotra teto Madagasikara dia tsy nitsaha-niova araka ny mpisehatra mikirakira azy ny heviny. Raha ho an’ny matihanina dia fomba fisainana sy fomba fiaina mihitsy izy io ; ho an’ny vao hiditra anatin’ny sehatry ny fambolena indray dia hairaha vaovao hitsinjovana ny fisotroan-dronono izany ; ho an’ny mpamboly kosa anefa dia efa fomba fanao mahazatra hatramin’izay ka hatramin’izao ny voly avotra. Tsy ny heviny ihany anefa no ahitana fahasamihafany rehefa nifampiresaka tamin’ireo mpisehatra ireo izahay. Hatramin’ny voanteny ampiasaina koa dia miova arakaraka ny mpisehatra : fampiaraham-boly, fambolena lovain-jafy na fambolena maharitra. Tsy ny hitanisa ireny voanteny ampiasaina eny ambanivohitra ireny anefa no tanjon’ity asa ity fa ny hiezaka hahazo ny fampiasan’ny mpisehatra isankarazany ireo voanteny ireo hampahombiazana ny serasera, indrindra ireo izay ifanakalozana amin’ny mpisehatra tompon- draharaha dia ny tantsaha. Koa voanteny tahaka ny ahoana no ampiasainy rehefa hiserasera amin’iza momba ny voly avotra izy ireo ? Ahoana ny fomba famolahana ireo voanteny ireo rehefa mifampiresaka amin’ny tantsaha izy ireo ? Ahoana kosa ny voambolana akaiky ilay voan-kevitra fampiasan’ny tantsaha ? Omen-danja ve ireny?

Tenizaha:Haivoanteny, serasera, mpisehatra amin’ny tontolo ambanivohitra, voly maharitra, tantsaha

06/04/2023