Jery todika momba ny fikarohana Malagasy sy ny fanafody avy amin’ny akora voajanahary (Taonjato 19-21)

RALAMBONIRINA RASOARIVELO Tiana Sylvia;RAFATRO Herintsoa

150Ny Maro ireo voasoratra momba ny asa fikarohana fanafody, ny zava-maniry ary ny fitsaboana nentim-paharazana Malagasy, saingy vitsy dia vitsy amin’ireo ihany no mifantoka amin’ny tantaran’ny fikarohana. Mba ahafahana mandrafitra tsara ny tondro-zotra ho an’ny ho avy.nefa dia tsy azo hiodivirana ny fandalinana ny lalana sy dingana nodiavin’ny fikarohana. Ity asa ity dia maneho ny toetra sy fivoaran’ny fikarohana eto Madagasikara, indrindra ireo mahakasika ny fanafody avy amin’ny akora voajanahary, ary mitondra fomba fijery sy tsikera koa. Ny fomba nentina nanatontosa izao asa izao dia tamin’ny alalan’ny fikarohana sy fandinihina lalina ireo raki-tsoratra avy amin’ny toerana maro. Nandalo dingana manokana manaraka ireo rafi-panjakana mifanesy ny fikarohana Malagasy, hatreto dia azo lazaina ho mbola andalam-pandrosoana izy noho ny antony maro. Mahakasika ny fikarohana fanafody avy amin’ny akora voajanahary, voarakitra am-boky, an-gazety siantifika, anaty sora-dalàna na fifanarahana, anaty teti-kasa na angona sy tranonkala nomerika ireo asa. Nandova ny fahaizana nenti-mpaharazana ny fikarohana fanafody Malagasy. Ny fandalinana ara-tsiantifika dia natombok’ireo mpikaroka vahiny taloha sy nandritra ny fanjanahan-tany, ary notohizan’ireo mpikaroka Malagasy. 200 taona eo ho eo izay no nisian’ny fikarohana ara-tsiantifika teto Madagasikara, mbola misimisy ny lalana hahatongavana amin’ny fahaleovan-tena eo amin’ny sehatry ny fikarohana sy hahafahana mampihatra tanteraka ny voka-pikarohana hampandrosoana ny firenena.

Tenizaha:lalana sy dingan’ny fikarohana, zava-maniry fanao fanafody Malagasy

23/03/2023