Ny maha iray fiaviana ny Malagasy voaporofo ara-zenetika.

RASOMBINIAINA Aimé

15Ny Resahina ny fiavian’ny Malagasy satria maro ny tsy mahalala fa ny Mikea sy ny Kimosy no Razambeny tranainy indrindra. Ny Kimosy fotsy hoditra tsy mitovy amin’ny Afrikanina, ny Mikea mainty hoditra. Mpitondra ny marika mitokondrialy R9 sy M32 sy ny kromosomika C sy D izy ireo izay tsy hita ao Afrika. Ireo fikarohana ara-zenetika dia manaporofo fa iray firazanana ny Malagasy sy ny « Andamanais» ary ny « Négritos » izay tsy misy fitoviana ara-zenetika amin’ny Afrikanina. Voaporofo ara-zenetika ny petrakevitrin’ny mpikaroka izay nanambara fa avy eto Madagasikara ny olona nipoiran’ny « Négritos » ao « Taïwan » sy Azia Atsimo Atsinanana. Ny Razamben’ny Malagasy ihany koa no nankao Afrika Atsimo Atsinanana sy tao Arabia, Azia Andrefana, Afrika Avaratra sy Erôpa satria ny taranakin’ny R9 dia ny marika mitokondrialy U sy K dia hita ao amin’ireo faritra ireo. Tsy Afrikanina na Aziatika ny Malagasy fa avy eto Madagasikara.

Tenizaha:Kimosy, Mikea, marika mitokondrialy,fikarohana ara-zenetika, « Négritos ».

11/11/2021