Pour une mise en valeur de la communication non-verbale : L’infraverbal dans la dimension culturelle malgache

RAMILISON Haingotiana Henitsoa

14Ny Ny fikarohana dia mahakasika ny serasera tsy an-tena, indrindra fa ny tsy an-teny miampita amin’ny alalan’ny fofona sy ny loko. Karazan-tserasera mampita hafatra takona, tsy tena misongadina izy io kanefa maheno hevitra sy dika maro isan-karazany. Ny fofona/ hanitra, ny loko ary ny tsiro no horesahina eto. Ny famaritana ny sehatra hisehoan’ny kolontsaina malagasy momba ny fofona no karohina. Izany dia nanaovana asa firotsahana an-tsehatra tao Antananarivo renivohitra, ny boriboritany enina. Mety misy ve ny karazana hanitra izay mamaritra ny kolontsaina Malagasy ? Izany fanontaniana izany dia nohezahina novalinana manaraka toy izao: Eny, misy tokoa ary ny hanitry ny sakafo na koa ny raok’andro malagasy no ahitana izany. Hanitra maro no voafantina hanaovana fikarohana: ny hanitry ny vary, voasary, ravintsara, kafe, sakamalaho, vanilla ary hena voatono. Haitsikeran’i Céline Manetta sy Isabel Urdapilleta no nampiasaina handalinana ny vokatra azo. Fanasokajiana ny teny entina manambara fofona no asan’izy io. Tamin’ny taona 2021 izay ahitana ny fihantraikan’ny valan’aretina covid-19 no nanaovana ny fikarohana. Tsapa fa dia misy fihantraikany amin’ny vokatra azo io tranga io.

Tenizaha:fofona, hanitra, loko, fanehoana, serasera

04/11/2021