Les surcoûts d’accessibilité aux marchés de paysans producteurs dans la sous-région de Soanindrariny-Vakinankaratra en 1998 (Madagascar)

ANDRIAMITANTSOA Tolojanahary;RAMAMONJISOA Josélyne;PESNEAUD François, retraité

135Ny Ny Mponina ao Soanindrariny (Antsirabe II) dia mivelona amin’ny ny fambolena sy fiompiana (voly vary, fiompiana omby vavy be ronono ary ny fambolena voankazo). Miteraka fivezivezen’ny entana sy ny olona marobe ny famoahana ireo vokatra ireo mankeny Antsirabe izay renivohitry ny faritra Vakinankaratra (28 km avy eo Soanindrariny), ka nahafahana nandrefy ny tondro momba ny fitokana-monina. Araka izany dia mifototra amin’ny zavatra telo lehibe ny fikarohana natao mba ahafahana mamoaka tsoa-kevitra momba ny fitokana-monina any ambanivohitra : ny famatsiana ny entana ilain’ny mponina andavanandro, ny famoahana ny vokatry ny tantsaha araka ny ohatra voalaza etsy ambony ary ny fivezivezen’ny olona mamonjy renivohitra araka ny filàna fototra andavanandro. Misy singa maromaro mamaritra ny saran-dalàna : ny fahalaviran’ny tany dia mampitombo ny saran’ny fivezivezena, ny faharatsian’ny foto-drafitrasa momba ny fivezivezena dia miteraka saran’dalàna amboniny ary ny fitaovam-pitanterana ampiasaina dia misy fiatraikany be amin’ny halafon’ny saran-dalàna (taksibrosy, fiarabe mpitatitra entana, sarety, sns.).

Tenizaha:Soanindrariny, fitokana-monina, fitanterana, làlana, saran-dàlana

09/03/2023