Profils nutritionnels de 23 co-produits halieutiques disponibles à Madagascar

RANDRIAMAHATODY Zo;RANDRIAMIDOSY Jean Claude;RAVONIZAFY Christine;MONG Yves Jean Michel;RAZANAMPARANY Julia Louisette

132Ny Madagasikara dia manana harena an-dranomasina sy andranomamy mihoapapana izay vinaniana ho trandrahana arak’izay mety. Ny fitrandrahana azy ireo dia mitaky fanodinana ny vokatra izay mety hampisy sisan-trondro atahorana handoto ny tontolo iainana. Ankehitriny dia tsy mbola misy lamina mazava ny fitantanana azy ireny ary olana ho an’ny orinasa matetika ny fanariana azy. Manolona any olana ara-tsakafo misy eto amin’ny firenana, dia natao ity fikarohana ity mba izahàna ny mety hahafahana mampiasa ny sisn-trondro amin’ny ara-tsakafo. Araka izany, dia nangonina teny anivon’ny orinasa mpanodina sy ny tsena ny sisan-trondro isankarazany ary notiliana ireo singa ara-tsakafo nisy tao anatiny. Hita àry fa tena betsaka protida sy menaka ary sira mineraly izy ireo arakaraka ny karazany. Ny tsinain-trondro no tena betsaka protida ary ireo azo avy amin’ny fiompian-trondro dia betsaka menaka. Ny sisan-trondro misy taolana sy akora mafimafy miaraka aminy dia betsaka sela mineraly tokoa, indrindra fa ny sokay. Araka izany dia tena mendrika omen-danja mihitsy ireo sisan-trondro ireo.

Tenizaha:sisan-trondro, protida, menaka, sira mineraly, sakafo

16/02/2023