Risques climatiques, sécurité alimentaire et stratégies endogènes d’adaptation (Région Boeny, Madagascar)

Rahetlah Volatsara Baholy

131Ny Anisan’ny olana lehibe efa sedrain’ny seham-pamokarana an-tsaha, iankinan’ny fanjariana ara-tsakafo sy ny fandrosoana ara-ekonomika eto Madagasikara ny loza ateraky ny fiovan’ny toetr’andro. Ho famantarana sy fanombanana ireo loza mety ateraky ny fiovan’ny toetr’andro ankehitriny sy ho avy amin’ny asa fivelomana sy ny fanjariana ara-tsakafon’ny tokatrano izay monina ao anatin’ny Fokontany folo ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Belobaka sy Boanamary, ao amin’ny distrikan’ny Mahajanga faharoa, Faritra Boeny ary ireo tetik’ady ifotony ampiasaina ho enti-mampihena ny fihatraikan’ireo loza ireo no tanjon’ny ity asa fikarohana ity. Araka izany dia nisy fanadihadihana natao tamin’ireo solo-tenan’ny tokantrano miisa 211, izay 76% dia vehivavy ary adi-hevitra teo anivon’ny vondron’olona lahy sy vavy niainga avy tamin’ny toro-lalana fanadihadiana fanjariana ara-tsakafo sy fiovan’ny toetr’andro atao hoe CriSTAL. Ny vokatry ny fanadihadiana dia naneho fa ny hain-tany miverimberina matetika no loza voalohany avy amin’ny fiovan’ny toetr’andro niteraka ary mety hiteraka fahavoazana be indrindra amin’ny asa fivelomana izay mifototra betsaka amin’ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono ary amin’ny fanjariana ara-tsakafon’ny Mponina. Anisan’ny fihatraikan’ny hain-tany mivantana na tsia ny fahaverezam-bokatra sy vola miditra, ny fahalaniana sy fahasimban’ny akora ho enti-mamokatra ary ny fiakaran’ny vidin’ny sakafo. Anisan’ny tetik’ady ifotony heverin’ny Mponina ho mahomby indrindra dia ny fampitomboana ny asa fivelomana ary ny fampiharana ireo fomba famokarana mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro.

Tenizaha:fahalalana ifotony, fanjariana ara-tsakafo, fiovan’ny toetr’andro, tetik’ady ho enti-miatrika

16/02/2023