L’EGLISE CATHOLIQUE, PARTENAIRE POUR LE FONCTIONNEMENT RATIONNEL D’UN ETAT SOUVERAIN.

RAMANANDRAIBE Jean-Louis, RAZAFIARIJAONA Jules, RATONGAVAO Charles Raymond

129 Ny Eglizy katolika sy ny Fanjakana dia sehatra roa lehibe manana ny maha-izy azy eo amin’ny fiarahamonina. Izy ireo dia samy miezaka hitondra ny anjara birikiny hanasoa ny fiarahamonina na dia tsy mitovy ny sata mifehy azy avy. Ny Fanjakana moa dia miantsoroka ny raharaha ara-nofo fa ny Eglizy kosa dia mikirakira ny ara-panahy. Izany fahasamihafana izany dia mety miteraka tsy fifampitokisana na fifandonana eo amin’ny fifandraisana. Satria etsy an-daniny, ny Eglizy te-hanery ny Fanjakana handray ny foto-pampianarany ary etsy akilany kosa, ny Fanjakana dia mitaky ny fahaleovan-tenany tanteraka mba hahafahany manao ny asa aman-daharahany an-kalalahana. Toy izany ny fipetraky ny olana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo.Mba hamahana ity olana mifanipaka ity dia mitondra vahaolana mikasika ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta ny fomba fijery malagasy araka ny hita taratra ao amin’ny Fanambarana maro nataon’ireo Eveka izay manindrahindra ny maha-zava-dehibe ny soa iombonana, ny zon’olombelona, ny fahamarinana sy ny fiadanana, ny fampivoarana ny maha-olona feno ny olona. Tsy nataony ambany lanja ihany koa ny fanandratana ny soatoavina maha-malagasy, toy ny fihavanana sy ny fanahy maha-olona, sns. Koa amin’izany dia asongadin’ny Eveka manokana ny fahavononany amin’ny fandaisana anjara mavitrika ho fandaminana ny raharaham-piaraha-monina. Fiaraha-miasa atao an-tsitrapo no takiana amin’izany.Raha ilaina anefa, ny Eglizy dia mijoro ho arofanina ara-moraly manoloana ny Fanjakana satria ny Fanjakana no tompom-pahefana. Na izany aza dia tokony ho hainy ny manararaotra ity endri-piaraha-miasa ity satria manampy azy hahavita tsara ny adidy aman’andraikiny ara-pomba mendrika. Toy izany ny endrika Fanjakana lahika ilaina satria mahay misolotena ny vahoaka masi-mandidy sy tompon’ny fanapahan-kevitra. Ny fomba fiasa apetraka ho fanatanterahana ny fandalinana atao eto dia ny fahaizana mijery ny zava-niseho ara-piarahamonina sy ara-politika araka ny hita ao amin’ny tantaram-pirenena sy ny fampitahana ny andraikitr’ireo sehatra roa ireo manoloana izany. Ny vokatra andrasana dia ny fahaizan’ireosehatra roa lehibe ireomiara-miasa mba hampandeha tsara ny asa sahanin’ny Fanjakana izay manana ny fiandrianany mba ho fanasoavana ny fiarahamonina. Mba ho mari-pototra ny asam-pikarohana ataontsika dia ferana fa ny zava-nitranga tao anatin’ny 50 taonan’ny fahaleovan-tena (1960-2010) no iompanan’ny fandalinana.

Tenizaha:Fanjakana lahika, Eglizy, Fanjakana, fiandrianam-pirenena

09/02/2023