Ny dian’ny poeta voarakitra ao amin’ny sorapiainana 2 sy 3

Rakotomavo Tsikimilamina

127Ny Tsikaritra amin'ny tontolon'ny fikarohana ankehitriny fa tsy ampy ny fampitana amin’ny an-tsipiriany ny tontolon’ny pôeta malagasy. Noho izany indrindra no namoahana ny boky Sorapiainana 1. Ho fanohizana ny fandalinana ny tantaram-piainana pôeta efa natomboka tao àry dia avohitra ao amin’ny Sorapiainana 2 sy 3 ny zotra nolalovan’ireo pôeta roapolo hafa nandritra ny fahavelomany teo anelanelan’ny taona 1835 sy 2018. Nitety vanimpotoana samihafa araka izany izy ireo izay samy nanana ny nampiavaka azy teo amin’ny sehatra rehetra nirotsahany ary namela marika tsy hay kosehina fa holovain’ny taranaka. Ny tanjona dia ny fisarihana ny maro hankamamy ny tantara eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy ary hahay haka tahaka ny fahamendrehan’ireo pôeta mpialoha lalana. Mizara telo mazava tsara ny fandalinana ity lohahevitra ity. Fomba fanehoana efa fanao momba ny tantaran’olona fanta-daza no isantarana izany. Ahasinkasina aorian’izay ny fomba fandalinana ny dian’ny pôeta ao amin’ny Sorapiainana 2 sy 3. Mamarana ny fandalinana ny fanasongadinana ny vinan’ireo amboaram-pahalalana ireo.

Tenizaha:dia, sorapiainana, pôeta, vanimpotoana, haisoratra malagasy, tantara, boky

02/02/2023