Economie bleue de Madagascar : essai de définition et opportunités

Mahatante T. P.;Tilahy D.;Bemanaja E.;Rakotosoa R.;Rajerison G. R.;Fanazava R.;Randrianarimana J. V.;Rabary A. J. M.;Ratsimanarisoa N.;Rajaonarisoa A. M.;Raharison N. H. S.;Randrianasolo T. C.;Rakotonjanahary V.;Mara E. R.

126Ny Ny fitombon’ny mponina sy ny fihenan’ny harena voajanahary sisa tavela dia mipetraka ho olana ho an’ny siantifika sy ny olon-drehetra maneran-tany. Fotoana vitsy lasa izay, tafiakatra ho valo lavitrisa ny isan’ny zanak’olombelona. Olona iray ao anatin’ny sivy no tratry ny tsy fanjariantsakafo ary manampitrotraka izany ny tsy fahampian-drano sy ny fahasimban’ny tontolo iainana izay mianjady amin’ny taranaka ankehitriny. Ny toekarena manga dia sehatra iray ahafahana mandray anjara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny famoronana asa sy ny fanalefahana ny fahantrana. Maneran-tany anefa dia tsy misy famaritana iombonana ny toekarena manga satria ny firenena na ny vondrona tsirairay dia samy mamaritra izany araka ny vina, ny tanjona, ny harena sy ireo sehatra izay misy ao aminy. Ity lahatsoratra ity dia manome lalan-tsaina ho an’ireo mpamorona tetikasa eto Madagasikara izay mifandraika amin’ny toekarena manga mba hahatongavana amin’ny antsoina hoe “toekarena manga lovain-jafy, ara-drariny, tsy mitanila ary maha tompon’andraikitra”.

Tenizaha:fitombon’ny mponina, harena voajanahary, tsy fanjarian-tsakafo, tsy fahampian-drano, fahasimban’ny tontolo iainana, fahafahana ara-tsakafo, toekarena manga

26/01/2023