Les Acanthaceae de la Commune Rurale d’Isaka Ivondro, District de Tolagnaro, Madagascar : Systématique

MBOLA VERSENE Andrianandrasana Balzac;RANDRIANALIMANGA RAHARIVELO Nombana

123Ny Ny Kominy Ambanivohitra Isaka Ivondro, Distrikan’i Tolaganro dia ahitana sivy karazana amin’ny fianakavian-javamaniry antsoina hoe Acanthaceae. Izany vokatra izany dia azo avy tamin’ny famantarana zavamaniry roapolo hita teny antoerana. Zavamaniry vao sambany nofaritana telo karazana kosa no hita nandritra ity asa fikarohana ity ka ny roa dia iray tarika amin’ny Hypoestes ary ny iray farany kosa dia iray tarika amin’ny Justicia. Tsara ny manamarika fa nisy ny karazana zavamaniry maromaro efa hita tany aloha no tsy hita intsony ankehitriny noho antony maro isankarazany tahaka ny hoe fiovan’ny toerana ho tanimboly na ho tanana dia ireto avy Crossandra vestita, Ruellia monathos ary Ruellia nummularia.

Tenizaha:Fanasokajiana, Acanthaceae, Kominy Ambanivohitra Isaka Ivondro, Madagasikara.

19/01/2023