Ny anjara asan’ny angano miainga amin’ny fandikana amin’ny teny Malagasy ny angano espaniola ao amin’ny boky Cuentos de la Selva – Horacio Quiroga

RAMINOARINOSY Ny Ilo Jihy

120Ny Itía ity dia vokatry ny mémoire de maîtrise amin’ny taranja espaniola. Nezahana noporofoina tamin’izany fa ny asa fikarohana iray dia mety hiteraka asa vaovao hafa, araka izany, ny asa fandikanteny– raha ny nadikanay dia ny Cuentos de la Selva nosoratan’i Horacio Quiroga - dia afaka ny ho tonga asa fikarohana momba ny anjara asan’ny angano. Ao anaty tontolom-pikarohan’ny Sciences humaines et sociales; ny asa fikarohana nataonay dia ifandrohizan-taranja ary ny haifikaroka nampiasaina dia empirico-inductive. Ity asa ity dia miteraka fanavaozam-pikarohana eo amin’ny haifandikana sady mametraka indray ny anjara toeran’ny angano miainga amin’ny fanadihadian-dahatsoratra. Ny tanjonay dia mba hipaka amin’ny sarambabembahoaka kokoa avy amin’ny ohatra pratika sy manampy amin’ny fitaizana zaza ny angano. Mizara telo lehibe ny fanehoana izao asanay izao: Ny mpanoratra sy ny boky, ny asa fandikana ary ny anjara asan’ny angano Fehiny ; mandray anjara toerana lehibe eo amin’ny fitomboan’ny zaza ny angano. Ny mpandika teny dia sady mpanazary no mpanabe.

Tenizaha:

05/01/2023