Teny malagasy: teny miaina fa tsy teny maty

HERISOA ANDRIANAINA RAKOTOJAONA

119Ny Mahavelom-panahiana ny hahafaty ny teny malagasy. Mikatsaka ny mba hahatsara fiaina azy no anton’ity fandinihana ity. Ny lalam-piainana naha mpikabary no aingam-pikarohana, ka teo ny saina nandinika sy nikaroka tamin’ny tahirinkevitra. Iresahana ary mivoatra ny teny miaina na tsy voasoratra aza. Maty ny teny rehefa tsy iresahana intsony na dia mbola ampiasaina aza ny rakitsorany. Tokony hofehezina araka izany ny fivoaran’ny teny malagasy mba ho soa fivoatra izy. Ny fifandonan'ny mpitana ny teny malagasy amin’ny saina tery sy ny baranahin’ny fivoaran’ny teny malagasy no iray amin’izay mety hahatonga ny hisian’ny teny malagasy voageja ka ho teny maty eo anilan’ny teny malagasy izay mbola hitoetra ho teny miaina. Eo indrindra no ilàna fifarimbonana mitohy momba izany eo amin’ny amin’ny samy mpikaroka. Koa noho ny fankamamiana sy ny fanomezan-danja mandrakariva ny teny malagasy, andeha hokojaina hatrany ho teny miaina izy.

Tenizaha:teny miaina,teny maty,soa fivoatra,fifarimbonana,hokojaina

05/01/2023