Potentiels nutritionnel et alimentaire des co-produits generes au cours de l’extraction de caviar de madagascar

RANDRIAMAHATODY Zo;RANDRIAMIDOSY Jean Claude;MONG Yves Jean Michel;RAZANAMPARANY Julia Louisette

115Ny Asa vaovao sady manan-danja ny famokarana “caviar” eto Madagasikara. Io famokarana io dia mitaky fiompiana trondro lehibe “esturgeon” arahin’ny fangalàna ny caviar ao anaty kibon’ny trondro efa lehibe. Mampisy fakon-trondro izay mbola zo omen-danja izany. Mba hahafahana mahafantatra ny fahafahan’ireo fako ireo ampiasaina amin’ny lafiny ara-tsakafo, dia natao ny andrana isan-karazany izahàna ny taharo misy ao anatiny, ijerena ny fomba fanodinana azy ary hanadihadiana ny toetrany. Ny vombo, loha ary tsinain’ny trondro no voakasika tain’izany. Ita àry fa mana-karena protida tokoa ireo vokatra azo ary manana toetra azo trandrahana tsara amin’ny fanodinana sakafo. Ny fanomezan-danja ireo akora ireo, noho izany, dia anisan’ny fitaovana iray hahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, mampihena ny fandotoana ateraky ny famokarana “caviar” ary mampiroborobo ny lafiny caviar.

Tenizaha:fakon-trondro, trondro, fanomezan-danja, lanja ara-tsakafo, toetra ara-tsakafo

15/12/2022