Les déficits de l’action publique dans la mise en œuvre des politiques forestières à Madagascar

Guybertho Randrianarivelo

114Ny Amin’ny fotoana hisian’ny krizy aram-pitantana ny ala izay mifototra amin’ny tsy fahafahan’ny Fanjakana mametraka ireo fepetra hisorohana ny fandrimpahana ny ala, dia tsara dinihina ny zara andraikitrin’ny sampan-draharahan’ny ala. Ity asa fikarohana ity dia miresaka ny tsy fahampian'ny politikam-panjakana amin'ny fampiharana ny hetsika ho fiarovana ny alam-panjakana Malagasy. Noraisina tamin'ny alàlan'ny fomba fiasa ampiasaina amin'ny siansa politika ny fanadihadiana hianarana ny politikan'ny ala. Ireo angombaovao nampiasaina dia niompana tamin'ny valin'ny fifampidinihana tamin'ny mpandray anjara natao teo anelanelan'ny taona 2014 sy 2015 nandritra ny fanavaozana ny politikan'ny ala malagasy. Nampihariny koa ny fomba fijery isan’amabaratonga. Hijerena ny rindrampandrain-kevitra ary ny fomba anatanterahan'ny sampan-draharahan'ny ala ny asany.

Tenizaha:Politikam-panjakana, Madagasikara, fitantanana ny ala, faritra arovana, famindram-pitantanana

08/12/2022