Evaluation de la contamination microbiologique des aliments de rue dans la commune rurale de mantasoa

ANDRIANIRINARISOA Mialitiana Razafy;RAZANAMPARANY Julia Louisette;TSIRINIRINDRAVO Herisetra Lalaina

103Ny Eo amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an’I Madagasikara dia isan’ny mamaritra ny tanan-dehibe ny varotra hanimasaka amoron-dalana. Arak’izany, nohon’ny olana ara-pahadiovan’ireny sakafo ireny dia efa maro ankehitriny ireo asa fikarohana natao mahakasika ny tomban’ny kalitaon’izy ireny. Ny asa fikarohana natao dia tany amin’ny tontolo ambanivohitr’I Mantasoa, kaominina iray manana fokontany 11 ary toera- mpizahan-tany ankafizin’ny maro na ny avy eto an- toerana na ny avy any ivelany. Ny tanjon’ny fikarohana natao dia ny hahazoana tombana ny amin’ny tahan’ny fahalotoan’ny hanimasaka amidy amorondalana eo amina sehatra ambanivohitra mba hanana fijery momban’ny kalitaon’ny fahadiovan’ireo sakafo ireo. Fanadihadiana andiany maromaro no natao nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2022 izay nahakasika ny mpivarotra, ny mpividy, ireo mpiasan’ny tobim- pahasalamana ary ireo tompon’andraikitra teo anivon’ireo fokontany sy teo anivon’ny kaominina tao Mantasoa. 70 ireo mpivarotra voaisa manerana ny kaominina. Ny valin’ny fanadihadiana dia namoaka fa 71% amin’ireo mpivarotra dia vehivavy avokoa ary ny 60% dia mihoatra ny 40 taona. Ireo mpihinana hanimasaka amidy amoron-dalana ksa dia saika mahakasika ny salan-taona rehetra ary 10.13% dia zaza latsaky ny 5 taona. Voamarika ihany koa fa tsy foto-tsakafon’ny olona ao Mantasoa ny sakafo masaka amidy amoron-dalana tahakan’ny hita an- tanan-dehibe satria ny antony voalohany hihinanan’ny olona any ambanivohitra ny hanimasaka vidina dia atao odiambavafo (87%). Nandritra ny fanadiadiana dia tsy nisy ireo nitaraina fa narary vokatry ny fihinana ireo sakafo ireo. Efatra ambiny telopolo karazana ny hanimasaka amidy ao Mantasoa ary samy notilina avokoa. Hita tao anatin’izany fa ny zato isan-jaton’ireo dia voaloto ary voamarika manoka amin’izany ireo mikiraoba manambara fa ny mpikarakara sy mpivarotra mihitsy no mamindra ireo loto amin’ny sakafo amidy, ao koa ireo mikiraoba manimba ny sakafo. Izany indrindra no nahatonga ny kalitaon’ireo sakafo voamarika fa tsy mahafapo. Ny kafe, izay zava-pisotro tena be mpanjifa indrindra any Mantasoa, dia manana kalitao azo ekena ho manakaiky ny fenitra. Hita tamin’ireo valimpikarohana fa ambony ny tahan’ny fahalotoana amin’ireo sakafo amidy amoron-dalana ao Mantasoa anefa ny trangan’aretina azo amin’ny fihinana izany kosa dia tena vitsy. Mampanahy ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana izany trangan-javatra izany, izay tsy laharampahamehana amin’ny olona ao Mantasoa akory. Manosika indrindra izany ny handalinana kokoa ny toe-tsain’ireo mpanjifa hanimasaka amin’ny tohin’ny fikarohana.

Tenizaha:fahalotoana, Kaominina Mantasoa, hanimasaka, tontolo ambanivohitra, fitiliana mikiraoba, kalitaon’ny fahadiovana

27/10/2022