Ireo antony avy amin’ny ranomasina mahatonga ny Kere any atsimon’i Madagasikara : inona no vahaolana hanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika izany ?

MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert,MARA Edouard Remanevy

422 Ny kere na ny hanoanana any atsimon’i Madagasikara dia nisintona bebekokoa ireo mpijery ny maha olona, fa mahalana kosa ireo siantifika, mba hahafahana manavotra aina na dia eo aza ny fiveremberenan’izany tranga izany. Tamin’ny fitrangan’ny Tiomena (rivotra mena) ny volana oktobra 2020 ary araky ny sosokevitra izay avy amin’ireo fanadihadiana maro tany aloha dia nisy Manampahaizana nanatanteraka asa fikarohana araky ny lafiny ranomasina sy ny zava-misy. Natao izany mba hanamarinana indray mandeha ny fifandraisan’ny kere sy ireo tranga andranomasina ao atsimon’i Madagasikara ao indrindra fa ny upwelling (fiakaran’ny rano avy any amin’ny lalina ary mangatsiaka), ny tendroroan’ny ranomasimbe indianina ambanin’ny tropika (dipôle subtropical de l’océan indien), ny El Nino, ny La Nina, ny alizay atsimo atsinanana mba hitondrana fanazavana misimisy kokoa hoan’ny rehetra sy ireo Mpanapa-kevitra ara-politika. Ilay fikarohana dia nanamafy indray mandeha fa misy fifandraisana ny kere sy ireo tranga andranomasina ireo. Ireo kere nifanesy in-16 izay voasoratra hatramin’ny taona 1896 dia vokatry ny upwelling ary manampitrotraka izany ireo tranga hafa voalaza etsy ambony sy ireo fomba nentim-paharazana sasan-tsasany. Sosokevitra maro no naroso hanamafisana hatrany ny fahafahan’ny vahoaka miatrika isan’izany ny fampiroboroboana ny toekarena manga, ny fanatsarana ny fisitrahana rano sy ireo fotodrafitrasa mahakasika ny làlana indrindra fa ny fametrahana ilay rindrin’ala lehibe.

Tenizaha: kere, ranomasina, upwelling, tendroroan’ny ranomasimbe indianina, fahafahana miatrika, vondronolona, toekarena manga

27/10/2025