BULLETIN DE L’ACADÉMIE MALGACHE

bam         bam         bam

Désolé, ce contenu n'est pas disponible en français.

Ao anatin’ny Bulletin de l’Académie Malgache no raketina ireo voka-pikarohana nentin’ireo mpikaroka Mpikambana na tsy Mpikambana tato amin’ny Akademia Malagasy. Rehefa nankatoavin’ny Mpikambana rehetra izany, nandritra ny fanolorana tao anaty fihaonam-pikarohana, dia azo lazaina ho voka-pikarohana mahafa-po ka aseho anaty Bulletin de l’Académie Malgache. Raketina ao anaty Bulletin de l’Académie Malgache ihany koa ireo famintinana an-tsoratra ny Fivoriambe Iombonana, izay tontosain’ny Sokajy rehetra isam-bolana eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Akademia Malagasy. Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny Bulletin de l’Académie Malgache. Mivoaka isan’enim-bolana (semestriel) ny boky (Janoary – Jiona sy Jiolay – Desambra). Misy koa anefa ireo laharana manokana, izay mirakitra ireo fotoana niavaka sy nisongadina tato amin’ny Akademia Malagasy, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo navoaka faramparany : – Bulletin de l’Académie Malgache, Tome XCII, Numéro spécial du 110è Anniversaire. – Bulletin de l’Académie Nationale des Arts, des Lettres et des Sciences, Numéro spécial du Centenaire 1902 – 2002.

Azonao jerena ato ny lohatenin’ireo lahatsoratra nivoaka tamin’ny Bulletin de l’Académie Malgache.