eloge5

Fahatsiarovana sy fankasitrahana an-dRtoa RABETAFIKA RANJEVA Yvette Madeleine Razafimalala
25 Oktobra 1942 – 15 Jona 2025

Mpikambana mahefa
Akademia Malagasy (1983 – 2025)
Mpikambana Comité Malgache d’Ethique pour les Sciences et Technologies – CMEST (2007 – 2025)
Mpikambana Association des Amis de l’Académie Malgache – AAAM (2018-2025)

Lahateny nataon-dRtoa Profesora RABENORO Irène,
Filohan’ny Akademia Malagasy

Fivoriambe iombonana famaranana ny Taom-piasana 2024-2025 – Alakamisy 24 Jolay 2025
Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza


Tompokolahy sy Tompokovavy,

      Sadaikatra ny tena raha handray fitenenana. Hitraka tsy avelan’ny alahelo, hiondrika nefa tsy avelan’ny adidy aman’andraikitra manoloana anareo Fianakaviana, nilaozan’ny Vady andefimandry sy Reny fihantahantana , ary ianareo Mpiray asa sy Mpiray Fikambanana, nilaoza- namana mpiara-dia.

      Tsy sanatria hanorotoro ny efa maharary no hitondrana ny anjara teny eto anio, fa izao no fotoana voalahatra hanolorantsika fahatsiarovana sy fankasitrahana an-dRtoa RABETAFIKA RANJEVA Yvette, Mpikambana mahefa teto amin’ny Akademia Malagasy, nodimandry ny 15 Jona 2025 lasa teo. Tarazo eto amin’ny Akademia Malagasy ny fanatanterahana izany, hankasitrahana ireo Mpikambana na Mpifandray nodimandry, tamin’ny asakaroka rehetra sy vokapikarohana navelan’izy ireo ho an’ny taranaka fara mandimby. Izany no nanokanana izao fotoana izao ho an-dRtoa RABETAFIKA RANJEVA Yvette, hankasitrahana azy sy ireo zava- bitany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

      Teraka ny 25 Oktobra 1942 tany Toliara i Yvette Madeleine Razafimalala RABETAFIKA. Nanambady an’i Pr RANJEVA Raymond, izay Filoha Kiady eto anivon’ny Akademia Malagasy izy, ary manan-janaka dimy mianadahy izy ireo. Teto Antananarivo izy no nodimandry ny 15 Jona 2025. Mpitandrina tao amin’ny FJKM Ambatonakanga ny raibeny Atoa RABETAFIKA Joseph, ary mitondra ny anaran’io raibeny io ny kianja eo Ambatonakanga.

      Nianatra teny amin’ny Lycée Jules Ferry izy nanomboka ny taona 1947, ary matetika nifindra toeram-pianarana. Ny taona 1952 ohatra dia tany amin’ny Ecole communale – Paris III no nanohy fianarana izy, ary vao ny taona 1953 dia efa nifindra tao amin’ny Ecole Européenne tao Mahajanga indray. Nianatra tany amin’ny Lycée des jeunes filles, tany Nice koa izy nanomboka ny taona 1956 ary namarana ny ambaratonga faharoa.

      Teo amin’ny ambaratonga ambony, dia nisafidy ny lalam-pianarana nandalina ny teny sy ny haisoratra ary ny sivilizasiona anglisy Rtoa Yvette Rabetafika. Nanjohy niaraka ny fianarana io taranja io izy, teny anivon’ny Faculté des Lettres, Oniversiten’i Madagasikara (nanomboka ny taona 1960), sy tamin’ny fianarana ampitain-davitra avy tamin’ny Faculté des Lettres d’Aix Marseille (nanomboka ny taona 1962). Nahazo ny maripahaizana Licence ès-Lettres (Anglais) izy tamin’izany. Nanohy hatrany teto an-tanindrazana ny fianarana ny teny anglisy izy, ary nandranto izany koa tany Paris Sorbonne, sy niofana (auditrice libre) tany amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS) de St Cloud. Nahazoany ny CAPES sy ny Agrégation d’Anglais izany tany Paris, izay samy tamin’ny taona 1966, raha nahazo maripahaizana DES d’Anglais kosa izy teto Antananarivo ny taona 1964. Marihina fa izy no Malagasy voalohany nahazo an’io Agrégation io.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

      Teo amin’ny lafiny asa dia nanomboka tamin’ny asa fampianarana izy ary nirona tamin’ny asa diplomatika taty aoriana. Nifanindran-dalana tamin’ireo hatrany kosa ny asa fikarohana nimasoany.

      Hatry ny taona 1960 Rtoa Yvette Rabetafika no efa nanomboka ny asa fampianarana ny taranja Anglisy teny anivona Ecoles confessionnelles protestantes.

      Teny amin’ny Oniversiten’i Madagasikara, ny taona 1967, no nanohizany io asa fampianarana io. Maître de Conférence nandritra ny 14 taona teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny tenany nanomboka ny taona 1988 hatramin’ny taona 2002.

      Dingana maromaro no nolalovany tamin’izany, satria ankoatra ny asa fampianarana ranofotsiny, dia efa niandraikitra koa ny fitantanana ny Departemanta mandalina ny teny vahiny izy, efa Mpikambana tao amin’ny Conseil d’Etablissement (Assesseur du Chef d’Etablissement) tao amin’ny Faculté des Lettres. Niasa tao amin’ny Institut de Civilisations – Musée d’Art et d’Archéologie (ICMAA), izay an’ny Oniversiten’Antananarivo ihany, toerana nanendrena azy izy mandra-pahalasanany. Ny fandikana teny anglisy sy fitsarana lahatsoratra havoakan’ny revues ICMAA “Taloha” sy “Travaux et Documents” no tena niandraiketany.

      Ny taona 2002 no voatendry ho Ambasadaoro, Mpisolo tena maharitra an’i Madagasikara teo anivon’ny UNESCO tany Paris ny tenany (Ambassadeure, Déléguée Permanente de Madagascar auprès de l’UNESCO à Paris), fantatra tamin’ny fanafohezan-teny hoe REPERMAD-UNESCO.

      Ary mbola izy koa no vehivavy malagasy voalohany nitana izany toerana izany. Araka ny nolazain’ireo mpiara-niasa taminy tamin’izany fotoana izany dia ny ezaka fandresen-dahatra nataony tamin’ny Fanjakana malagasy no nahatsanganana ny Comité National du Patrimoine (CNP), izay niorina teto Madagasikara ny taona 2005.

      Nanana finiavana koa izy nampiroborobo ny hetsika « Journées de Madagascar à l’UNESCO », ary taty aoriana dia nivelatra ho hetsika fanao isan-taona, isaky ny volana Jona ankalazana ny fetim-pirenena, ireo Journées de Madagascar à l’UNESCO ireo.

      Mbola tamin’ny androny koa no nanombohan’ny fifandraharahana teo amin’ny REPERMAD-UNESCO sy ny Rencontre Nationale Sportive (RNS), izay nokarakarain’ny Malagasy monina any Eoropa. Nanjary nijoro ara-dalàna teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny taty aoriana izany.

      Ankoatra ny naha Ambasadaoro azy teo anivon’ny UNESCO aza, dia Mpikambana koa tao amin’ny Haut Conseil de la Francophonie izy ny taona 2004 hatramin’ny 2006, ary Représentant personnel du Chef de l’Etat auprès de l’OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) tamin’izany fotoana izany.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

      Noraisina ho Mpifandray teto amin’ny Akademia Malagasy, tao amin’ny Sokajy Haifomba fiaina sy fitondra (Sokajy II), na ny Sokajy Haifiana sy Haifitondra ankehitriny Rtoa Yvette Rabetafika Ranjeva ny taona 1983.

      Nasondrotra ho Mpikambana mpiombonantoka ny taona 1986 ary nasandratra ho Mpikambana mahefa ny taona 1997, izany hoe 14 taona taorian’ny nandraisana azy ho mpifandray.

      Azo lazaina ho havanana tamin’ny fandresen-dahatra izy, satria dia mbola izy ihany koa no nandrisika ny Filoha Rajaona Andriamananjara, ny taona 2007, tamin’ny fanorenana ny Comité Malgache d’Ethique pour les Sciences et Technologies (CMEST) teto anivon’ny Akademia Malagasy.

      Marihina fa isan’ireo Mpikambana nanorina ny CMEST izy ny taona 2007, ary voafidy ho Sekretera Jeneraly nisahana ny fifandraisana iraisam-pirenena hatramin’ny taona 2018. Nijanona ho Mpikambana tsotra izy taorian’izany saingy tsy nitsahatra nanatrika fivoriana.

      Voka-pikarohana mikasika ny sivilizasiona ; ny harem-pirenena sy ny vakoka ; mikasika indrindra koa ny finoana sy ny fivavahana kristianina no nentiny teto amin’ny Akademia Malagasy, nanomboka ny taona 1982.

      Ary vao tsy ela akory fa tao anatin’ny Fivoriambe iombonana ny volana Aprily 2025 lasa teo Rtoa Rabetafika Ranjeva no nanao famelabelarana fampahafantarana ny Académie Africaine des Sciences Religieuses, Sociales et Politiques (AASRSP), izay niarahan’izy mivady nanolotra teto.

      Mpikambana nandray anjara mavitrika hatrany tamin’ny fivoriana natao, na teto amin’ny Akademia Malagasy na teo anivon’ny CMEST, izay Rantsamangaikan’ny Akademia Malagasy ihany, Rtoa Yvette Rabetafika Ranjeva. Tsy nitsahatra nitondra ny heviny izy ho fanatsarana sy ho fampandrosoana, ary tamim-panetren-tena no nanaovany izany.

      Ankoatra ny teto amin’ny Akademia Malagasy, dia Mpikambana tamina Vondrona mpikaroka (Sociétés savantes) samihafa koa izy, sy tamina Fikambanana mifandraika amin’izany. Tsy zohina amintsika ny naha Mpikambana azy, Membre associé étranger tao amin’ny Académie des sciences d’outre-mer (ASOM, Paris).

      Mpikambana isan’ny nanorina ny Académie Africaine des Sciences Religieuses, Sociales et Politiques (AASRSP) izay any Dakar, Sénégal izy, ary niaraka tamin’ny vadiny, ny Pr Raymond Ranjeva moa izy tamin’izany.

      Ary tsy adino fa Mpikambana mavitrika teo anivon’ny International Council of Museums (ICOM) – Madagascar Rtoa Rabetafika Ranjeva ary niezaka hatrany teo amin’ny fiarovana ny harem-pirenena sy ny vakoka.

      Izany indrindra koa no nanosika azy hanangana ny Fikambanana HARENA tany Frantsa ny taona 2009, izay Fikambanana miaro sy manandratra ny harem-pirenena sy ny vakoka malagasy. Ny taona 2014 no niorina ara-panjakana teto Antananarivo ny Sampana HARENA Madagascar, izay izy no Filoham-boninahitra, mpanorina izany.

      Ampahany fohy tamin’ny taratasy fiaraha-miory nosoratan’i Pr Dominique Barjot, Secrétaire perpétuel de l’Académie des sciences d’outre-mer no entiko eto. Hoy izy « Madame Yvette Ranjeva Rabetafika a beaucoup apporté à notre Académie par l’ampleur de son rayonnement international et l’exemplarité de ses multiples engagements. Elle incarnait ainsi la relation extrêmement forte, durable et multidimensionnelle qui lie l’Académie Nationale des Arts, des Lettres et des Sciences de Madagascar à la nôtre ».

      Teto an-tanindrazana, dia isan’ny angady nananana sy vy nahitana ny Association des Amis de l’Académie Malgache (AAAM), niorina tao anatin’ny fotoana naha Filohan’ny Akademia Malagasy an’i Pr Raymond Ranjeva, ny taona 2018 izy. Mpikambana koa tamina fikambanana hafa toy ny SERA izy.

      Isan’ny nahafantarana azy taty aoriana, tao anatin’ny famokarana ny horonan- tsarimihetsika « Nampoina, ny riaka no valampariako » izay nosoratan’i Pr Raymond Ranjeva sy novokarin’ny Fikambanana Valamparihy, tarihin’Atoa Haja Ranjeva Rabetafika, ny ezaka lehibe nataony teo amin’ny fanatanterahana ny sous-titrage (teny frantsay sy teny anglisy) tamin’io tantara malagasy io.

      Ny 19 Jona 2025 teo, na dia tao anatin’ny voina indrindra aza ny fianakaviana, dia nalefa teto amin’ny Akademia Malagasy izany horonantsary « Nampoina, ny riaka no valampariako » izany. Efa voalahatra moa io fotoana io ka na dia mbola am-bohitra aza ny razana dia naseho teto ihany izy io, araka ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana.

      Mpampianatra ahy tao amin’ny Sampana Anglisy Rtoa Ranjeva, Ambasadaoro talohako koa izy.

      Manamafy ny voalaza rehetra momba ny haben’ny anjara biriky nentiny ho an’ny Firenena Malagasy ny nandravahan’ny Fanjakana malagasy azy ny Mariboninahi-pirenena Grand Croix de deuxième classe de l’Ordre National ny taona 2002.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

      Vao herintaona ngarangidina izay, ny 26 Jolay 2024 no nanokana Andro ho fanomezan- boninahitra azy mivady ny Akademia Malagasy, nanatanterahana Mpikambana sy olona nifandray tamin’izy ireo, 40 isa, velakevitra sy fijoroana vavolombelona tamin’ny asa nimasoan’izy ireo. Androany, herintaona aty aoriana, dia vory marobe eto isika, manao izao fahatsiarovana sy fankasitrahana azy izao. Tsy fifandrifian-javatra akory, fa izay tokoa no lahatra.

      Very olomanga indray ny Akademia Malagasy satria dia fahabangana lehibe no setrin’izao fahalasanan-dRtoa Yvette RABETAFIKA RANJEVA, Mpikambana mahefa teo anivony izao. Very olomanga ny Firenena malagasy, folak’andry niankinana ireo Fikambanana sy toeram-pikatrohana rehetra nisy azy, indrindra ireo naoriny.

      Ny Akademisiana anefa hono tsy mba maty, fa mitoetra mandrakizay ho lova ho an’ny taranaka fara mandimby ny asakaroka sy ireo zavabitany maro. Ho voatahiry ho vakoka, araka ny nikelezany aina fatratra, ny vokatry ny ezaka nimasoany.

      Koa ho fahatsiarovana azy sy ho fiombonantsika fo hanaja sy hankasitraka azy, dia miangavy antsika hiara-hitsangana anaty fahanginana iray minitra.

******


Mankasitraka Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy.