
Fahatsiarovana sy fankasitrahana an’Atoa RANDRIAMAMONJY Frédéric
25 Mey 1932 – 9 Aprily 2025
Mpikambana mahefa teto amin’ny Akademia Malagasy (2003 – 2025)Filohan’ny Sokajy Haifomba Fiaina sy Fitondra(2005 – 2011)
Lahateny nataon-dRtoa Profesora RABENORO Irène,
Filohan’ny Akademia Malagasy
Fivoriambe iombonana – Alakamisy 5 Jona 2025
Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Sadaikatra ny vava, miahotra ny lela raha handray fitenenana manoloana anareo
fianakaviana, tapaka sy namana, mpiray fikambanana tamin’Atoa RANDRIAMAMONJY
Frédéric, vao nandao antsika tsy ela.
Lavo tokoa mantsy ny andrarezina, mahatsapa fahabangana ny Akademia Malagasy
noho ny fahalasanany, satria dia 31 taona no nananana azy teto anivony.
Koa rariny sy hitsiny ny hahatsiarovana sy hankasitrahana azy noho ireo zava-bitany
maro navelany ho antsika, izay tsy ho àry voatanisa eto amin’ny antsipirihany anefa, noho
ny fotoana voafetra, fa ampahany ihany.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Teraka ny 25 Mey 1932 tao Ampananganana, Moramanga i Frédéric
RANDRIAMAMONJY. Nanambady an-dRtoa Esther RASOLOARIMALALA izy ary
nanan-janaka efatra mianadahy izy ireo.
Ny 9 Aprily 2025 izy no nodimandry teto Antananarivo, teo amin’ny faha-92
taonany.
Nandranto fianarana ambony tany Frantsa, Royaume Uni ary tany Etazonia izy, ka
maripahaizana maro no azony tamin’izany.
Tany Frantsa : Licence ès Sciences Naturelles (1957), Diplôme d’Etudes Supérieures
(1961), Certificat de Spécialités (1962), Doctorat de 3ème Cycle (1963) tao Dijon.
Tao Durham, Royaume-Uni kosa no nahazoany ny Master of Science in Ecology
(1967).
Ary Certificate in Field Biology – University of Rhode Island, USA (1967).
Teo amin’ny lafiny asa dia sehatra maromaro no nahafantarana azy. Nanomboka
tamin’ny sehatry ny fampianarana izany, na teo amin’ny ambaratonga faharoa izay
nitantanany sekoly ihany koa, na teo amin’ny ambaratonga ambony.
Teny amin’ny Sekoly Protestanta Ambatonakanga sy Kolejy Paul Minault ho an’ny
ambaratonga faharoa, ary teo anivon’ny Institut pédagogique sy ny Ecole Normale
Supérieure kosa ny fampianarana ambony.
Mpahay (expert) tao amin’ny UNESCO rahateo izy ary nisahana ny fandrafetana
fomba fampianarana ny Siansa ara-boajanahary.
Teo amin’ny sehatry ny finoana, dia nanana anjara toerana teo anivon’ny Conseil
oecuménique des Eglises tany Genève Atoa RANDRIAMAMONJY Frédéric, izay naha
mpiasam-panjakana iraisam-pirenena azy.
Diakona koa ny tenany tany an-toerana tao amin’ny Fiangonana La Chapelle ny
taona 1969, ary nilaza Ramatoa vadiny fa anisan’ny laika nanangana ny Fikambanana
Mampiely Baiboly izy.
Namiratra indrindra koa ny lehilahy tao anatin’ny andraikitra diplomatika sy politika
nosahaniny. Nandritra ny 11 taona dia nisalotra ny anarana Ambasadaoron’i Madagasikara
hatrany izy: tany URSS teo aloha, Pologne, Repoblika Demokratikan’i Allemagne teo
aloha, Tchécoslovaquie teo aloha, Hongrie sy Bulgarie.
Mbola tsaroana ny naha Mpikambana azy tao amin’ny Haute Autorité de l’Etat
(1992-1993) sy ny naha Solombavambahoaka azy teto Antananarivo (1993-1998).
Ary tsy latsak’izany rehetra izany ny asa karoka izay nimasoany, ka nandalinany
naharitra sy nifantohany tamin’ny tantaran’i Madagasikara.
Nahatalanjona ny maro ny fahafehezany izany raha toa ka seha-pahalalana tsy
mifandray velively amin’ny tantara no nandrantoany fianarana ambony, dia ny Siansa ara-
boajanahary. Asasoratra goavana maro izay manana ny lanjany tokoa anefa no navelany ho
an’ny taranaka fara-mandimby momba ny tantara.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Ny taona 1994 no noraisina ho Mpifandray teto amin’ny Akademia Malagasy Atoa
RANDRIAMAMONJY Frédéric, nakarina ho Mpikambana mpiombonantoka izy ny taona
1999 ary nasandratra ho Mpikambana mahefa ny taona 2003.
Efa niandraikitra ny asa naha Filohan’ny Sokajy nisy azy izy, Sokajy Haifomba
Fiaina sy Fitondra izy nandritra ny enina (6) taona.
Izay moa no fiantso io Sokajy io tamin’izany, Sokajy Haifiaina sy Haifitondra ny
anarany ankehitriny.
Araka ny efa voalaza teny ambony dia asasoratra maro no tontosan’Atoa Frédéric
RANDRIAMAMONJY, indrindra teto amin’ny Akademia Malagasy.
Fa nisy ihany koa ireo navoakany tany ivelan’i Madagasikara na tamin’ny teny
frantsay, na teny anglisy.
Tamin’ny 30 Septambra 2021 no Andro natokan’ny Akademia Malagasy
ankasitrahana an’Atoa Frédéric RANDRIAMAMONJY sy Rtoa Esther
RASOLOARIMALALA vadiny. Efa Filohan’ny Sokajy II Atoa Randriamamonjy ary efa
Filohan’ny Sokajy I kosa Rtoa Rasoloarimalala.
Raha namaky ny fijoroana vavolombelona momba azy Profesora Lucile
RABEARIMANANA, Mpahay tantara sy Mpikambana mahefa eto amin’ny Akademia, dia
nilaza izy fa raha 18 isa ireo lahatsoratra nosoratan’Atoa Frédéric RANDRIAMAMONJY
hita tao amin’ny Bulletin de l’Académie Malgache sy voapetraka teto amin’ny
tranombokin’ny Akademia Malagasy, dia 10 amin’izany no mikasika ny tantara eto
Madagasikara.
Singanina manokana eto ireto boky roa matevina nosoratany ireto:
- Tantaran’i Madagasikara isam-paritra izay misy 588 pejy (2001) sy
- ny Tantaran’i Madagasikara, 1895-2002 ahitana 504 pejy (2006).
Mahaliana tokoa izy ireo, ary dia voadika soa aman-tsara amin’ny teny frantsay.
Anisan’ny boky nalaza ihany koa ny Anaran’ny biby sy ny zavamaniry fahita
andavanandro (1977) izay niarahan’izy mivady nosoratana.
Namela dindo teo anivon’ny Gazety Fanasina (Gazety FJKM) sy ny Gazety
Mpanolotsaina ihany koa Atoa Frédéric Randriamamonjy teo amin’ny sehatra fanaovan-
gazety.
Ankoatra ny asasoratra, dia Mpikambana navitrika izy ary tso-piaina, tsy mba
nitabataba ary nitsikitsiky lalandava.
Toa zary toetra nahafantarana azy mivady fa tsy azy irery izany. Sondriana ny
mpihaino nandritra iny fotoana natokana ho azy mivady tamin’ny taona 2021 iny, nandre
ireo fijoroana vavolombelona maro nitantara ny fahaizan’izy ireo nifandray sy nandray
olona tany amin’ny toerana rehetra niasan’izy ireo tany ivelany tany.
Mahalaza izany ny mariboninahitra “Ordre de l’Amitié des peuples” noravahana azy
tany URSS tamin’izany.
Tsapan’ny Ny Fanjakana malagasy fa asa be tokoa no vitan’izany lehilahy izay ho
an’ny firenena, na teo amin’ny sehatry ny diplaomasia na teo amin’ny sehatry ny
fanabeazana ny tanora malagasy na teo amin’ny fikarohana.
koa ny finiavana sy ny ezaka tontosan’izany lehilahy izany, nentiny nanabe sy
nampita fahalalana maro ho an’ny tanora Malagasy, ary nanehoany ny hasina maha
Malagasy tany ivelany rehetra tany, nandritra ny fotoana lava naha Ambasadaoron’i
Madagasikara azy.
Koa nosalorana ny mariboninahi-pirenena Grand Croix de deuxième classe de
l’Ordre National Malgache izy ny taona 2014.
Tsetsatsetsa tsy aritra. Nilaza tamin’izy mivady aho indray mandeha hoe
mievonevona angamba izy fa ataoko resaka amin’ny mpianatra.
Tsy izany fa amin’izao fotoana manahirana izao, dia ataoko ohatra amin’ny
mpianatro ao amin’ny « Département d’Etudes anglophones » izy mivady, hoe olona efa
niasa ela teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena nefa manetri-tena, mandeha tongotra sy
mandeha taxi-be rehefa avy mivory eto amin’ny Akademia.
Midika izany fa tsy mba naman’izay manodinkodim-bolam-panjakana Atoa
RANDRIAMAMONJY ka na dia efa niroso tamin’ny taona aza, dia tsy mba nahatakatra
fiara.
Modely tsy ho an’ny tanora ihany fa ho an’ny rehetra izy mivady amin’izao fotoana
izay ny fiara lafo vidy taingenana izao no maha rangahy – na maha ramatoa – ka tsy mba
olombelona ny ankoatran’izay.
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Lavo ny andrarezina, very olomanga ny Akademiantsika raha nilaozan’Atoa
RANDRIAMAMONJY Frédéric.
Ny Akademisiana anefa tsy mba maty fa ny asa maro novokariny dia mitoetra ho
harena sarobidy lovain’ny taranaka fara mandimby.
Koa ho fiombonantsika fo hankasitrahana an’Atoa Frédéric RANDRIAMAMONJY
dia miangavy antsika hitsangana hahatsiaro azy mandritra ny iray minitra.
Misaotra Tompoko