Comment les violences et l’insécurité ont piétiné les valeurs fondamentales ainsi que la liberté de la société malgache ?
RAJAONARISON Mamitiana, RAZANAMANANA Haja Lalao
Nahatratra 5318 ny raharaha vono olona, fakana an-keriny ary halatra teo anivon’ny Polisim-pirenena
ny taona 2021, 2003 izany ny taona 2022. Na eo aza izany fihemorana izany, dia indrisy fa iainan’ny
Malagasy isan’andro ny herisetra sy ny tsy fandriampahalemana. Mitatitra trangan-javatra isan-karazanyavy
any ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ny gazety izay mampahatsiahy antsika fa na firy taona isika, na inona
sarangam-piarahamonina misy antsika, na ohatrinona ny vola miditra amintsika, na inona ny asantsika, na
aiza ny toeram-ponenantsika, dia mety iharan'izany avokoa isika rehetra. Lasa mahazatra ny mamono na
maty noho ny zavatra tsy misy dika ny akory. Izany toe-javatra izany no nitarika anay hamakafaka ireo
fandikan-dalàna 1115 navoakan’ny gazety Midi Madagascar tao amin’ny "Faits divers" teo anelanelan'ny
Novambra 2022 ka hatramin'ny Jona 2023 ; nampiasaina ny fomba triangulation mba hamaritana ny antony
mahatonga izany. Raha ny marina, ireo zava-misy isan-karazany ireo dia taratry ny fihoaram-pefy misy eo
amin’ny fiaraha-monina sy ny fahantrany. Tamin’ny fomba ahoana ary no nanosihosen’ireo fandikan-dalàna
ireo ny soatoavina fototry ny fiaraha-monina sy nampihenany fahafahan'ny Malagasy. Ny fitiavana
tanindrazana sy ny fitiavana ny hafa dia miady mafy ho amin’ny fisiany ary potehin’ny fitiavam-bola. Raha
toy izany ny tsy fandriampahaleman-tsika ankehitriny, hanao ahoana ny hoan’ny taranaka ho avy?
Tenizaha:
herisetra, tsy fandriampahalemana, soatoavina fototra, fitiavam-bola, fahantrana, fahafahana
04/09/2024