Comment améliorer la gouvernance du secteur de la sécurité pour réduire la violence à Madagascar ?

RAKOTOZAFY Dominique Jean Olivier

290 Araka ny Lalàmpanorenana, ny demokrasia sy ny fehin-kevitra momba ny Fanjakana tan-dalàna no fototra iorenan‘ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny mponina Malagasy amin’ny ankapobeny anefa isan’andro dia iharan’ny herisetra isan-karazany. Izany toe-javatra izany dia vokatry ny fahantrana lalim-paka, ny tsy fahamarinana, ny fahapotehan’ny sehatry ny fanabeazana, ny tsy fahatomombanan’ny fampandehanan- draharahan’ny Fanjakana amin’ny ankapobeny ary indrindra eo amin’ny sehatry ny fitandroana ny fandriampahalemana. Manampy trotraka izany ny fanatontoloana izay misy fiantraikany tsikelikely amin’ny fomba fisainana, ny fomba fiainana ary ny fitondran-tenan’ny mponina. Ireto ny ohatra sasantsasany: – tsy voavolavola na tsy ampiharina amin’ny tokony ho izy ny didy aman-dalàna manankery; – tsy mirindra ny asa eo amin’ny andri-panjakana sy ny rantsa-mangaika isan-tsokajiny ka mahatonga fifangaroana eo amin’ny famolavolana, ny fanatanterahana, ny fanaraha-maso ary ny fandrefesana ny politikam-panjakana isaky ny seha-pihariana; – mifanitsaka na atao ankilabao ny adidy sy andraikitra sasany, ary tsy mifandraika ny fampiofanana, ny fahaiza-manao ary ny fitaovana ampiasain’ireo mpisehatra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana; – marefo ny rafitra mpanara-maso sy mpanao fisafoana; – marefo ny rafitra fitsikilovana sy fanangonam-baovao. Noho izany ny vahaolana mahomby indrindra dia ny fanamafisana ny fanabeazana ny olom-pirenena miaraka amin’ny fanovana ifotony ny rafitra syn y fomba fiasan’ny mpisehatra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana mba hanatsarana azy.

Tenizaha: Fanjakana tan-dalàna, fanatontoloana, herisetra, sehatry ny fitandroana ny fandriam-pahalemana, fandrindrana, fanaraha-maso, fanabeazana ny olom-pirenena, fanovana ifotony

04/09/2024