INSÉCURITÉ DANS LES ZONES D’ÉLEVAGE

SAMISOA

288 Tsy zoviana amin’ny rehetra ny seho sy ny vokadratsy ny herisetra sy ny tsy fahalemana eo amin’ny tontolo ambanivohitra ; Tsara hovelarina amin’ny fomba hafa tsy toy ny mahazatra io tranga io mba hanana fomba fijery manokana,halalana ny fototry ny olana. Fanontaniana vitsivitsy mipetraka no hanamarinana izany lalàn-tsaina izany : iza no mahazo tombotsoa amin’izany trangam-piaraha monina izany ? Ny tranga amin’io tontolo lavitra ny fitondram-panjakana io ve dia zavatra kinasa hatao ? Ilay lamina (système), voakorontany hatrany am-potony ve dia fanahiniana atao sa fifanandrifan- toe-javatra samihafa ? Voaporofofa ny fahefana nentin-drazana dia mametraka hatrany tsindry hiarovan’ny soatoavina na dia fantatra fa mandalo fotoan-tsarotra ny fiaraha monina. Ny famondronan-kery samihafa izay sokajiana amin’ny sehatra telo lehibe no anamarinana an’izany: – ny voalohany dia ny fametrahana ao anatin’ny sehatra y fananan-drae, sy ny famosora izay rehetra mety hamitranana ny fomba fiarovana ny fihariana amin’ny fiompiana sy ny maha olona izay hita ao amin’ny fepetra mifehy ny hary. – ny faharoa dia ny fameloma maso ny fahefana mitady ho faty ka nametrahana indray ny soatoavina mifototra amin’ny fiaraha monina voarindra; – ny fahatelo dia ny fanomezan-danja ny dina izay fifamatorana eken’ny rehetra hifeheza ny fahalemana na dia ataon’ny fanjakana an-kilabao aza.Fantatra anefa fa io no fomba nentin’ny fiaraha monina am-banivohitra nandaminany ny zava kinendriny sy ny fanatsarany ny fiainany. Ny fahefana any an-toerana izay nananany no fanoitra lehibe nampirindra ny fahalemana amin’ny endriny voakajy raha toa ka voahaja sy nankatoavina ny maha ara-dalana an’ izany.

Tenizaha:

04/09/2024