Les actions contributives à l’éradication des racines de la violence et de l’insécurité
RASOLONJATOVO Sandratriniaina Clara
Lasa tranga maneran-tany manahirana izao tontolo izao ankehitriny ny herisetra izay fihetsika mahery
ampiharina amin’ny hafa. Miteraka fahaverezan’ny hasina ara-moraly sy sosialy io firohotra io ho an’I
Madagasikara. Ny fahaverezan’ireo hasina ireo no mampirongatra ny herisetra anaty firenena, izay mitarika
ny tranga tsy fandriam-pahalemana. Mipetraka ary ny fanontaniana. Karazana fitsipika mifehy ny fiainam-
piarahamonina toa inona no tsy voahajaka mitarika izao savorovoro manakorontana ny fiaraha-monina
izao? Ny fanadihadiana eto mba ho famaliana io fanontaniana io dia mifantoka aminin’ny fanamarinana ny
tomban-kevitra fototra: “Mahomby amin’ny fiadiana amin’ny herisetra ny fahatakarana ny fomba
firafitry ny fiaraha-monina”. Koa amin’izany ny tanjona eto dia ny ahitana ireo loharano sy ireo
fiantraikan’ny tranga herisetra ary ny fandrosoana ireo karazana vahaolana mifandraika. Ny vokatry ny
fandalinana dia maneho ny tsy fahaiza-mifehy ireo karazana fihetseham-po mitondra olana eo amin’ny
fifandraisan’ny samy olona, ka voatombana amin’izany ny fikasan’ny olona iray sy ny fiantraikan’ny
fanatanterahany izany. Ny fiakaran’ny taham-pilaminam-bahoaka no vokatra andrasana.
Tenizaha:
Fandikan-dalàna, lalam-piarahamonina, fahatongavan-tsaina, fanabeazana
04/09/2024