INSECURITE CULTURELLE
MBOLA MOREL Pierrette
Ny fianakaviana no voatohintohina voalohany raha misy ny herisetra sy tsy rariny mihatra aminy..
Amin’izao anefa dia mihavery hasina izy eo anivon’ny fiarahamonina. Ny antony dia ny fisian’ny hery
manimba, ratsy fiampaika izay mitady, hitoetra ao anatiny.
Amin’izao fotoana izao, io fianakaviana io dia voakorontana satria, ny kolontsaina mihitsy no
voatohintohina sy mahita faisana noho ny tsy fahalalana; miha tsy hita fa very tsikelikely ireo mari-
pamantarana ny fomba nenti-paharazana ka na ny ray aman-dreny aza dia ilaozan’ny toetrandro ka tsy
mahafehy na inona na inona intsony.
Ny renim-pianakaviana dia tsy manam-pahafahana intsony, hampita ny kolontsaina, ka ny fomban-
drazana; ary ny zavamisy voarain’ny ankizy dia tsy araka ny tokony ho izy.
Ny tsy fahalalana ny harena mitoetra ao anaty ny kolontsaina Malagasy no mahatonga ny tanora haditra
sy tsy manara-dalana.
Tenizaha:
04/09/2024