UNIVERSITÉ, VIOLENCES, POUVOIR(S) : POUR UNE ÉTHIQUE DE LA COMMUNICATION
RAKOTOANOSY Monique
« Anjerimanontolom-panjakana vohitramasin’ny fahalalaham-pisainana, ny toe-tsaina tsy mpihinana am-
bolony, ny fahalalana, ny fifampizaràna, ny lamin’ny fifandraisana… Tia karoka, malina,
tompon’andraikitra, miantoka ny fandrindrana sy ny fihavanana, mba ho andrin’i Madagasikara misolanga
indray », izany ny ho avy andrandraina amin’ny taona 2050.
Ny tsikaritra anefa dia toa zary kilalaon’ny lokan’ady samihafa ny anjerimanontolom-panjakana:
lokan’ady politika, lokan’ady ekonomika.. ary nanjary sehatra isehoana herisetra marolafy sy maro
karazana : herisetra ara-batana, ara-teny, sotasota ara-tandindona, ankaso ara-tsaina, …amin’ny endriny
mivantana na ankolaka. Herisetra izay mitsetsitra ny angovom-pivoarana sy manosihosy ny tandrohasin’ny
anjerimanontolo. Ny fomba napetraka toy ny filalaovana foto-dalàna, ny ampihimamba sy ny didiko fe
lehibe ary ny jadona ara-miaramila, dia namparefo ireo olombelona an’ivony sy nampitotongana ny hasina
ananany. Tsy afa-nivaona tamin’ny FanjakazakandRavola ny anjerimanontolo. Toe-javatra azo heverina ho
loza mananontanona raha tsy heverina sy lanjalanjaina tsara.
Haifitrandraka ezahana ho hentitra, malina, stratejika no entina handrodanana izany fisainana mampikatso
izany.
Mitaky ny fahasahian’ny manjakavahoaka miivo amin’ny maha-olona hamehy azy ny fielezan’ny
herisetra eran’izao tontolo izao. Asa vadi-drano tsy vita raha tsy hifanakonan’ny sain’ny rehetra izany, ary
hirobona tokoa raha mifaka amin’ny hanitra nentin-drazana voakororoka sy voadinidinika, dia ny « Fiahiana
ny manontolo na ny fifampitsinjovan’ny olombelona » (Dama-Ntsoha) izay hamaha ny fatorana… ka hivoy
ny fanomezan-daka ny olombelon’ny anjerimanontolo amin’ny fanajariana ny habaka izay azy rahateo.
Tenizaha:
04/09/2024