Anjerimanontolo, ny tsy fahandriam-pahalemana : sakana ho an’ny kalitaon’ny fampianarana

MAMITIANA Claris Hubert, RANDRIANAIVO Aimé Nicolas Emilson

283 Betsaka amintsika no mahalala fa ny anjerimanontolo dia manana olana goavana amin’ny fahandriam- pahalemana sy ny filaminana. Ny tanjon’ity petra-kevitra ity dia ny hamoahana sy hitanisa ny olana misy mba hanampy ny mpanapan-kevitra amin’ny vaha-olana tokony horaisina. Tsotra ny lalan-tsaina entina maneho ny fanehoan-kevitra dia ny fitanisana ireo olana araka ny karazany avy mba hanavahana ny olana mila vahana haingana indrindra, ny olana vahana amin’ny fotoana fohy ary ny olana mila vahaolana maharitra. Ny vokatra tiana ho azo dia ny mba tena hanaovana ny olan’ny anjerimanontolo ho isan’ireo hamehana, mila vahana maika eto amin’ny firenena. Hitondrana ny adihevitra indrindra amin’izany ny hoe : inona no sakana ka mampihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana eny amin’ny anjerimanontolo ? Satria ny mpianatra, ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharaha dia manana olana avokoa. Ny olana misy dia miseho amin’ny lafiny maro sy isan-karazany avy ao anatiny sy avy eny ivelany ary lasa olana ara-piaraha- monina mifamatopatotra sy saro-bahana.

Tenizaha: Fahandriam-pahalemana, filaminana, fampianarana, kalitaon’ny fampianarana, mpianatra,mpampianatra, mpandraharaha

04/09/2024