Le néo-patrimonialisme et la lutte contre l’impunité à Madagascar
L’Etat de Droit face à la verità effettuale
RATAFIKA ANDRIANARIVO Andriavina
Foto-kevitra iray fampiasan’ny siansa politika hilazana ny kolikoly ny « néo-patrimonialisme ». Ka ity
farany no nampiroborobo ny fisian’ny tsimatimanota eto Madagasikara. Raha ampiarahina amin’ny
veritaeffectuale («fahamarinana tena misy») an’i Machiavel izany dia mahatonga ny lalàna ho lasa fitaovana
ampiasain’ny politika. Ny lalàna izay tsy mahavita miady amin’ny fitondrà-mitanila dia lasa zary fitaovana
sy fiarovana ny tombotsoan’ny manam-pahefana fotsiny, hamoretana ny mahantra ary hanamafy orina ny
fanjakan’ny vola. Marina fa ny olan’ny fiarahamonina malagasy dia vokatry ny fiaraha-miombonan’antoka
tsy voajanahary eo amin’ny kolotsaina samy maka ho azy izay no entin’ny fanjanahantany sy ny kolotsaina
manome lanja ny fiaraha-monina. Fa na eo aza izany dia tsy tokony hilaza isika fa tsy azo ihodivirana ny
tsimatimanota. Araka ilay fomba fiteny hoe« ny arivolahy tsy maty indray andro », ny firenena dia mbola
manana olonkendry sy vonona hanala azy amin’ny kizo. Na dia eo aza ny sakantsakana maro karazany dia
misy ny politika sy ny lalàna izay novolavolaina mba hiady amin’ny fisian’ny tsimatimanota. Marina fa
mafy sy lavitrezaka ny tolona ary tsy ho azo ao anatin’ny iray andro ny fandresena, fa mitohy hatrany anefa
izany.
Tenizaha:
04/09/2024