CHEMINEMENT VERS UN CODE ÉTHIQUE CIVIQUE DIGITAL
RAPANOEL Laingo
Lasa nomerika ankehitriny ny herisetra eto Madagasikara. Miantraika amin’ny lafiny maro amin’ny
fiainam-piarahamonina izany, indrindra eo amin’ny afiny ara-politika. Raha ny lahakevitry ny mpanohana
sy mpanohitra fotsiny tsinona ohatra indraindray dia mihitatra hatreny amin’ny seraseran-tsosialy, izay lasa
sehatraho an’ny mpifanandrina, « trolls », « ekstremista » ary vondrona pôlitika mikatsaka ny hanodina
saim-bahoaka sy hanakorontana ny lamin’ny zotram-pifidianana. Noho izany dia lasa matetika loatra ny
fanehoan-kevitra fanalam-baraka, ny fandrahonan’olona ary ny kabary politika feno fanenjehana amin’izao
fotoana.
Na izany aza, ny tambajotran-tseraseran-tsosialy toy ny « Facebook » dia mampiasa sivana isan-karazany
amin’ny fiadiana amin’ireo mety teny fankahalana sy manebaka rehetra eo amin’ny sehatra misy azy. Ny
sivana lehibe indrindra dia ny « Hate Speech Classifier », izay mitsimpina sy mamantatra ireo mety teny
fankahalàna diso tafahoatra anaty lahatsoratra, fanehoan-kevitra na hafatra izay manohina sy manaratsy
olon-tokana na vondron’olona noho ny tsy fitovizany amin’ny tena. Noho ireo, ahoana àry no hanamafisana
izany fiarovana ara-nomerika izany?
Raha toa ka mifantoka amin’ny fifandraisan’ny tsirairay sy ny famoronana kolontsaina etika ara-tsosialy,
dia mety ho azo atao ny mampihena ny fihanaky ny herisetra politika nomerika. Ny fiaraha-miasan’ny
andrim-panjakana, ny fiarahamonina sivily ary ny tsirairay ihany koa dia mety ho afaka manitsy ny fijery
manoloana ity trangam-piharahamonina misandrahaka amin’ny seha-piainana manontolo ity. Izay no hatao
dia entina anamafisana ny ady amin’ny herisetra ara-politika nomerika.
Tenizaha:
Fanodikodinana, politika, herisetra ara-nomerika, serasera, Madagasikara, tamban-jotra sosialy
04/09/2024