RAFITRA « KIANJAMAITSO » FOTOTRA IORENAN’NY FANDRIAMPAHALEMANA SY NY FILAMINANA

RATSARATOETRA Faramalala

276 Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia tsapa fa mihen-danja ireo Soatoavina malagasy mifototra amin’ny : Fihavanana, fifampitsimbinana, firaisan-kina, fifanajana, izay nampalaza ireo razambentsika tany amin’ny taonjato maro lasa tany. Ny fahaverezan’ny mari-dàlana sy ny fanasongadinana ny fanatontolona diso tafahoatra, dia anisan’ny antony niteraka korontana maro ankehitriny, indrindra amin’ny fiarahamonina. Milomano ao anaty « tsy fandriampahalemana » sy « herisetra » lalina ny mponina, na an- drenivohitra izany na ambanivohitra, na eto afovoan-tany na any amin’ny morontsiraka, ary singanina amin’izany ny vehivavy. Fotoana izao mba hikarohan-kevitra sy hikatsaham-bahaolana maharitra, hampisy firindran’ny fiarahamonina ho an’ny tsirairay, ary indrindra ho an’ny mpiara-belona. Ny rafitra « Kianja maitso » dia anisan’ny andrin’ny fandriampahalemana, ny filaminana ary ny fitoniana ho an’ny hoavin’ ny Firenena. Mirindra sy milamina ireo kaominina maro mbola mampiasa azy io ankehitriny. Manana fahavononana àry ve isika, amin’ny fanohanana sy fanaparitahana ny « Kianja maitso » ho famelomana ny Soatoavina malagasy ka ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana lovainjafy ?

Tenizaha: Herisetra, tsy fahandriampahalemana, vehivavy, Kianja maitso, filaminana, fitoniana,firindran’ny fiarahamonina

04/09/2024