Ny firongatry ny asan-jiolahy mampihorohoro vahoaka sy ny tsy fandriampahalemana marolafy eto Madagasikara

RASOLOFOMASY Simon Seta

274 Mitombo hatrany ny firongatra sy ny haherivaiky ny asan-jiolahy mampihorohoro eto Madagasikara ary tsapa fa mitatra amin’ny fanafihana na fandrobana zava-baovao tsy mbola nisy teo aloha izany. Niova fanafihana mitam-basy mahery vaika toy ny kalachnikov i zay basim-panjakana izany taty aoriana. Nitatra amin’ny vaky fasana angalarana taolam-paty izany. Voatafika matetika ihany koa ny trano fivarotana sy ny trano fonenana. Tsy izany ihany fa mbola misy koa ny fandrobana olona varira sy olon-tsotra hakana ny voamasony. Hitan’ny fokonolona matetika ny fatin’olona tapa-doha na fatin’olona tsy misy voamaso. Mbola hita matetika ankoatra izany ihany koa ny fanafihana « cash-point » eny andrenivohitra ka matetika dia maty voatifitra ny tompony sady lasan’ireo jiolahy ny vola be. Ny tanjon’ity velakevitra ity dia fampahafantarana ny fijaliana mihatra amin’ny vahoaka sy fanintonana lakolosy mba hamongorona haingana ny tsy fandriampahalemana. Fomba ahoana no ahazoan’ireo jiolahy mpanafika ireo basim-panjakana fampiasan’ny tafika ? Ilaina ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra hentitra amin’ny fampiasana ny miaramila, zandary, polisy sy ireo fitaovam-piadiana toy ny basy, helicoptère mba hiarovana ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ho sarisary fotsiny.

Tenizaha: Asan-jiolahy, Madagasikara, kalachnikov, taolam-paty, varira, voamaso

04/09/2024