VIOLENCE CRIMINELLE, ATTEINTE A L’HUMANITÉ ET SENTIMENT D’INSÉCURITÉ A MADAGASCAR
VOLOLONDRAMASY Salohy Mampionona
Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, niaina tranganà herisetra sy heloka be vava ny vahoaka Malagasy
Madagasikara vokatry ny toe-javatra samihafa: toekarena, politika ary sosialy. Miseho eny rehetra eny ny
tsy fandriampahalemana na any ambanivohitra na an-tanàn-dehibe. Mba hahafahana mamantatra ny antony
sy ny vokatry ny herisetra eto Madagasikara, arahin’ny tolo-kevitra, dia noraisinay ny fomba fijery ara-
tsosialy. Tamin'izany dia natao ihany koa ny famakiana ny vokatry asan’ny mpanoratra momba ny tsy
fandriam-pahalemana, ny fanangonana angon-drakitra mifantoka amin'ny herisetra. Ny fanadihadiana
nifototra tamin'ny fandinihana mivantana sy ny famakafakana ny zava-misy notaterin'ny mpanao gazety dia
nanampy anay hahatakatra ny trangan'ny herisetra, fakàna an-keriny, fanendahana sy ny hafa.
Manamarina ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eo amin’ny Malagasy ireo tarehimarika ireo,
tsikaritra ihany koa ny fahaverezan’ny fahatokisana ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana, noho izany
no mahatonga fandaminana ny fiarovan-tena eo anivon’ny fokontany. Ireo antony ireo ihany koa no
mampirongatra ny fitsaram-bahoaka.
Ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka eto Madagasikara dia mitaky ny fampiharana ny
hetsika azo tsapain-tanana kokoa sy mifanaraka amin’ny zava-misy.
Tenizaha:
Herisetra, helokabevava, fahatsapana tsy fandriampahalemana, mponina
04/09/2024