Variabilité de la densité du bois de Ravenala madagascariensis Sonn. Prédite par la spectroscopie proche infrarouge.
RAMANANANTOANDRO Tahiana, RASOAMANANA Lalaina Patricia, RAZAFIMAHATRATRA Andriambelo Radonirina
Ny tambatsirimpahazavana "enprocheinfrarouge" (SPIR) dia fomba famakafakana hazo izay tsy manimba ny hazo. Tamin'ity fanadihadiana ity dia no jerena ny fahombiazan'ny SPIR amin'ny
faminavina ny taha-danjan’ny hazo (WSG) an'ny Ravenala madagascariensis, vokatra avy amin’ny ala izay tsy hazo eto Madagasikara. Mba hanatanterahana izany, dia nalaina ny
santionany manaraka ny savaivo avy amina efitra telo (tahony, fonon-dravina, ravinkazo), avy amin'ny vatana Ravenala madagascariensis anaky roapolo amin’ny zato nalaina avy tamin'ny
toerana telo. Nalaina ny SPIR tamin'ireo santionany ireo. Ny valin’ny fikarohana dia mampiseho fa ny modely vinavina tsara indrindra dia manambatra ny "SNV + DT ". Ny mason'ity
modely ity dia: RMSEcv 0,013 g.cm-3, R²cv 0,73 ary RPDcv 2,76. Ao amin'ny fanamarinana mahaleotena, ny modely dia mampiseho R² 0,70 sy RPD 2,17. Ny fampiharana ny maodely vinavina
dia manambara fa misy fiovana manaraka ny savaivony WSG ao amin’ny Ravenala madagascariensis. Ny faritra afovoany dia manana taha-danjan’ny hazo ambany kokoa (eo ho eo
amin'ny 0.082 g.cm-³) noho ny faritra amin’ny sisiny (0.12 g.cm-³), izay misy fahasamihafana lehibe (> 0.1%). Ankoatr'izay, misy fiantraikany manan-danja amin’ny WSG ny
fifandraisana eo amin'ny savaivo sy ny efitra. Tsy nisy fiantraikany manan-danja ny fifandraisana savaivo x toerana. Ity fanadihadiana ity dia manome fampahalalana momba ny
toetran'ny hazo amin'ity karazana tsy fahita firy ity, ka manatsara ny fahatakarana ny mahazava-dehibe azy ara-tontoloiainana.
Tenizaha:
tambatsirimpahazavana, vinavina, taha-danjan’ny hazo, fiovaovana manaraka ny savaivo, Ravinala
16/05/2024