Ny anjara toeran’ny tantara eo amin’ny fanorenana fiarahamonina manandratra ny fahasamihafana.

RATONGAVAO Charles Raymond

409 Manoloana ny korontana mety ho ateraky ny tsy fahazakana ny fahasamihafana, eo amin’ny fiaraha-monina, manana anjara manokana ny tantara. Taranja iray miahy ny tadidy mikasika ny fiainan’ny zanak’olombelona, raha tahiny ka voahaja hatrany ny fitsipika mifehy azy, dia ny filazana ny marina momba ny andaniny na ny ankilany. « Tsy miangatra, lazaina ny mety sy ny tsy mety » na ho an’iza na ho an’iza. Iezahana asongadina ny lafiny mahasika « ny fahavanonan-ko olona » isaky ny miatrika vanim-potoana na ny lova napetrak’ireo olobe nanana ny maha-izy azy tany aloha. Tsy raisina ho fahavalo ny hafa, na ireo tsy mitovy hevitra aminao, apetraka ho toy ny namana mpiara-miombon’antoka eo amin’ny fanorenana fiaraha-monina. Lalana iray azo anorenana fiarahamonina mandala ny fahasamihafana izany. Fomba azo anampiana ny fihavanana malagasy hanana fihavaozana ity fomba fiainana ity, ary mety haha- voakasika ihany koa ny tontolo ara-politika, ialana amin’ny fanaovana politika mirona any amin’ny antoko tokana na loko tokana.

Tenizaha:

03/07/2025